Hankany amin'ny vontoatiny

Caesalpiniaceae

Avy amin'i Wikipedia
Caesalpinia pulcherrima

Ny Caesalpiniaceae dia fianakavian-javamaniry mamony ao amin' ny filaharana Fabales. Ity fianakaviana ity dia nisy tao amin' ny fanasokajiana klasikan' i Cronquist (1981). Tsy misy intsony ao amin' ny fanasokajiana filôjenetika APG II (2003), izay mametraka ity fianakaviana ity ho amin' ny laharan' ny zana-pianakaviana: ny Caesalpinioideae ao amin' ny fianakaviana Fabaceae. Noho izany dia mitovy amin' ny an' ny zana-pianakaviana Caesalpinioideae ny vondron-karazana ao amin' ny fianakaviana Caesalpiniaceae. Ahitana karazana 2 500 hatramin' ny 3 000 ny fianakaviana Ceasalpiniaceae. Ny karazana ao amin' io fianakaviana taloha io (na zana-pianakaviana vaovao), amin' ny ankapobeny dia hazo na hazobotry maniry amin' ny tany trôpikaly sy sobtrôpikaly, any amin' ny tapany avaratra amin' i Aostralia, ary koa any amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]