Cadaba virgata
Ny Cadaba virgata dia karazan-javamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Capparaceae. Miseho amin' ny endrika hazobotry na hazo madinika izay mahatratra 6 m ny haavony. Izy io dia tsy misy afa-tsy eto Madagasikara. Hita any amin' ny faritra arovana sasany eto Madagasikara, toa an' Andohahela sy Beza Mahafaly ary Tsimanampetsotsa ity zavamaniry ity.
Anarany amin' ny teny malagasy
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny anarana amin' ny teny malagasy ahafantarana ny Cadaba virgata amin' ny teny malagasy: fandriandambo, hazomasina, irakoka, maintifo, tsiantsohilotsy, tsiariarianalotsy, tsiarinaliotsy. Ny sasany amin' ireo anarana ireo dia mety hitambarany amin' ny karazan-javamaniry hafa. Marihina fa:
- anarana iraisany amin' ny Physena sessiliflora ny hoe "fandriandambo";
- anarana iraisany amin' ny Dracaena angustifolia sy amin' ny Syzygium emirnense (na Eugenia emirnensis teo aloha) ary amin' ny Garcinia chapelieri ny anarana hoe "hazomasina";
- anarana iraisany amin' ny Cadaba madagascariensis sy amin' ny Vaughania depauperata (na Indigofera depauperata teo aloha) ny hoe "maintifo";
- anarana iraisany amin' ny Cadaba madagascariensis. ny hoe "tsiariarianalotsy".
Fampiasana nentim-paharazana
[hanova | hanova ny fango]Ny tambavy azo avy amin' ny fitanehana ny ravin' ny Cadaba virgata dia ampiasaina ho fanafodin' ny aretim-pivalanana. Io tambavy io ihany koa dia ampiasaina ho fanaitairana ho an' ny vatana. Ny tambavy azo avy amin' ny fitanehana ny hodiny dia manana toetra manentana. Ny fakany sy ny tahony ary ny raviny dia ampiasaina indraindray mba hitsaboana areti-maso. Misy loharanom-baovao milaza fa ny fakany notorotoroina dia azo ampiasaina mba hampitoniana ny areti-nify. Ny fakany, ampiasaina miaraka amin' ny ravina ananambo (Moringa oleifera), dia voalaza fa ampiasaina amin' ny fitsaboana ny tripanôzômiazy (aretin' ny torimaso).