Ny Cactaceae dia fianakavian-javamaniry be nofo sady misy tsilo avy any Amerika nefa hita koa aty Afrika sy ao Aostralia ary any amin' ny faritra manodidina ny Ranomasina Mediteranea. Misy any amin' ny 2000 any ho any ny karazana ao amin' ity fianakaviana ity, izay mitsinjara amin' ny vondron-karazana miisa 127, ka ny ankabetsahany dia maniry amin' ny faritra manana toetany karankaina. Misy nofony azo atao sakafo sy ranony azo atao fisotro ny voany. Ny sasany amin' ny karazana ao aminy dia antsoin' ny Malagasy hoe raketa.
Misy tahony be tsilo (izay antsoin' ny olona hoe "raviny") sy fakany ny ankamaroan' ny karazana. Tsy dia tena misy taova azo lazaina hoe "ravina" ny raketa, raha ny tena marina, ka matetika kely dia kely na lasa tsilo amin' ny ankapobeny ny tokony hantsoina toy izany. Mibontsina sady nofosana noho izy mitahiry rano ny tahony. Misandrahaka saika manakaiky ny ety ivelan' ny tany aniriany ny fakany na dia misy ny faka mahatakatra lalindalina kokoa ka ahafahany mifikitra mafy amin' ny tany. Any amin' ny tany hay izy ireo dia maniry mifanelanelana lavitra.
Raketa Opuntia humifusa
Ny fisian' ny faritra ivoahan' ny tsilo no tena mampiavaka ny Cactaceae amin' ny zavamaniry hafa. Tsy misy tsilo ny sasany fa karazana volovolo na zavatra mampalailay izay mitombo eo amin' ireo faritra tokony hanirian' ny tsilo no misolo ny tsilo. Matetika mahafinaritra jerena nefa tsy maharitra ny vonin' ny y Cactaceae. Maro ny lahimboniny. Matetika ny voany no miloko marevaka sady be nofony. Volen' ny olona mba hanaingo tanàna ny ankamaroan' ny karazana ka ireo izay tsy dia mitombo firy no tena tian' ny olona atao an' izany.