Bryophyllum

Ny Bryophyllum dia vondrona karazan-javamaniry ao amin' ny fianakaviana Crassulaceae teratany eto Madagasikara. Fizaràna na zanak' antokon-javamaniry ao anatin' ny antoko Kalanchoe izy io, ary noheverina ho antokon-javamaniry mahaleo tena teo aloha. Fantatra amin' ny fisian' ny zanany madinika izay mipoitra amin' ny sisin' ny ravina ity fizaràna ity; mipoitra avy eo amin' ny ravina ireo zanany ireo izay milatsaka ary miorim-paka amin' ny tany. Vokatry ny mitôzy ao amin' ny tambatseka meristematika ao amin' ny dimbana amin' ny ravina ireo zanany ireo.
Amin' izao fotoana izao dia nentina any amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly maro sy maniry hoazy any ny karazana maro ao amin' ny Bryophyllum, ary nambolena noho izy ireo mahasarika na noho ny fahalianana amin' ny fahafahany mampitombo ny taranany noho ny fiterahany mivantana ny zanany tsy amin' ny alalan' ny vony.
Taksônômia
[hanova | hanova ny fango]Napetraka ao anatin' ny Kalanchoe ny karazana ao amin' ny Bryophyllum araka ny famakafakana filôjenetika ara-môlekiola. Noho izany dia tokony ho fizaràna na zanak' antokon-javamaniry ao amin' ny Kalanchoe ny Bryophyllum fa tsy antokon-javamaniry manokana.
Miovaova arakaraka ny famaritana an' ity fizaràna ity ny isan' ny karazana ao aminy. Taloha dia tsy ny karazana mamokatra zanany mipoitra eny amin' ny ravina ihany no tafiditra ao fa karazana maro tsy manana an' io toetra io, toy ny Kalanchoe manginii sy ny Kalanchoe porphyrocalyx. Na izany aza dia pôlifiletika ny antoko Bryophyllum amin' ny heviny malalaka. Naverin' i Bernard Descoings nofaritana ny Bryophyllum ka tsy nahitana afa-tsy karazana misa 26, ary ny fanadihadiana filôjenetka ara-môlekiola dia maneho fa saika mônôfiletika io famaritana nataon' i Bernard Descoings io, ankoatry ny Kalanchoe beauverdii sy ny Kalanchoe delagoensis (sy ny zavamaniry mpihavana akaiky aminy ary ny safiotra avy amin' izy ireo) izay tokony ho nampidirina ao, sy ny Kalanchoe pubescens sy ny Kalanchoe streptantha izay tsy anisany. Vokatr' izany dia manana karazana miisa manodidina ny 40 ny Bryophyllum.
Lisitry ny karazana, amin' ny heviny tery
[hanova | hanova ny fango]Araka an' i Descoings, 2006, ny zanak' antoko Bryiphyllum dia ahitana ireto karazana ireto[1]:
- Bryophyllum bognerii Rauh
- Bryophyllum cymbifolia Descoings
- Bryophyllum daigremontianum Hamet & H. Perrier, = Kalanchoe daigremontiana
- Bryophyllum fedtschenkoi Hamet & H. Perrier
- Bryophyllum gastonis-bonnieri Hamet & H. Perrier
- Bryophyllum laevitirens Descoings
- Bryophyllum laxiflora Baker
- Bryophyllum macrochlamys H. Perrier
- Bryophyllum marnieriana H. Jacobsen
- Bryophyllum maromokotrensis Descoings & Rebmann
- Bryophyllum mortagei Hamet & H. Perrier
- Bryophyllum peltigera Descoings
- Bryophyllum pinnatum = Bryophyllum calycinum (L.) Persoon = Kalanchoe pinnata
- Bryophyllum prolifera (Bowie ex Hooker) Hamet
- Bryophyllum pubescens Baker
- Bryophyllum rechingeri Hamet & Rauh & Hebbing
- Bryophyllum rosei Hamet & H. Perrier
- Bryophyllum rubella (Baker) Hamet & H. Perrier
- Bryophyllum sanctula Descoings
- Bryophyllum serrata Mannoni & Boiteau
- Bryophyllum strephantha Baker
- Bryophyllum suarezensis H. Perrier
- Bryophyllum tenuiflora Descoings
- Bryophyllum waldheimii Hamet & H. Perrier
Lisitry ny karazana, amin' ny heviny malalaka
[hanova | hanova ny fango]- Kalanchoe beauverdii
- Kalanchoe bogneri
- Kalanchoe costantinii
- Kalanchoe curvula
- Kalanchoe cymbifolia
- Kalanchoe daigremontiana
- Kalanchoe delagoensis
- Kalanchoe × descoingsii: K. delagoensis × K. laetivirens
- Kalanchoe fedtschenkoi
- Kalanchoe gastonis-bonnieri
- Kalanchoe guignardii
- Kalanchoe × houghtonii: K. daigremontiana × K. delagoensis
- Kalanchoe humifica
- Kalanchoe inopinata
- Kalanchoe laetivirens
- Kalanchoe laxiflora
- Kalanchoe × lokarana: K. laxiflora × K. sp. (K. rosei, K. variifolia, or K. perrieri)
- Kalanchoe macrochlamys
- Kalanchoe marnieriana
- Kalanchoe maromokotrensis
- Kalanchoe mortagei
- Kalanchoe peltigera
- Kalanchoe perrieri
- Kalanchoe pinnata
- Kalanchoe × poincarei: K. beauverdii × K. sp. (K. rosei, K. variifolia, K. perrieri, or K. daigremontiana)
- Kalanchoe prolifera
- Kalanchoe × rechingeri: K. costantinii × K. delagoensis
- Kalanchoe × richaudii: K. delagoensis × K. sp. (K. rosei, K. variifolia, or K. perrieri)
- Kalanchoe rosei
- Kalanchoe rubella
- Kalanchoe sanctula
- Kalanchoe scandens
- Kalanchoe serrata
- Kalanchoe suarezensis
- Kalanchoe tenuiflora
- Kalanchoe torrejacqii
- Kalanchoe variifolia
- Kalanchoe waldheimii
Raha heverina ho zanak' antokon-javamaniry ny Bryophyllum dia karazana telo fanampiny no tokony hampidirina ao:
- Kalanchoe aromatica
- Kalanchoe bouvetii
- Kalanchoe manambolensis
Fisian' ny poizina
[hanova | hanova ny fango]Karazana Kalanchoe maromaro no misy fiantrakany lehibe ara-toekarena noho ny fanapoizinana ny fo mety haterany ho an' ny ondry sy ny omby, sy ny aretina maro miantraika amin' ny rafi-pitatitra sy ny hozatra izay fantatra amin' ny anarana hoe "krimpsiekte" (izay midika ara-bakiteny hoe "aretin' ny fihakelezana") na ny kôtiledônôzy[2]. Mety manana singa simika mitovy amin' izany ilay karazana sodifafana atao hoe Kalanchoe pinnata: ny alkalôida bofadienôlida[3].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Kalanchoe
- Kitchingia (fizaràna hafa ao amin' ny Kalanchoe)
- Sodifafana
Loharano
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Bernard Descoings, "Le genre Kalanchoe structure et définition Archived Martsa 13, 2016 at the Wayback Machine", Le Journal de Botanique (Société Botanique de France), vol. 33, 2006, p. 3-28 ([arsiva])
- ↑ Welham, Marina: "How Dangerous are Euphorbias? (And Others in the Family Euphorbiaceae) with some comments on dangerous plants in the families Agavaceae, Aizoaceae, Apocynaceae, Compositae, Crassulaceae, Liliaceae" (Arsiva). Notahirizina ao amin' ny Wayback Machine tamin' ny 01/10/2007. The Amateur's Digest. Retrieved 2007-09-19.
- ↑ Steyn, Pieter S & van Heerden, Fanie R. (1998): "Bufadienolides of plant and animal origin". Natural Product Reports 15(4): 397–413. doi:10.1039/a815397y (PDF)