Brugmansia arborea

Ny Brugmansia arborea dia karazana zavamaniry hazobotry, ao amin' ny vondron-karazana Brugmansia ao amin' ny fianakaviana Solanaceae. Taloha izy io dia nantsoina hoe Datura arborea. Teratany any Amerika Atsimo izy io ary nitombo tany Amerika Afovoany ihany koa, saingy nampidirina sy ambolena eran-tany. Sokajian' ny IUCN ho lany tamingana amin' ny endrika maniry hoazy (dia) izy io. Amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe datiroa na felan-dakolosy.
Famariparitana azy
[hanova | hanova ny fango]
Hazobotry maharitra an-taonany sy rakotra volovolo manify ny Brugmansia arborea. Mety mahatratra 7 m ny haavony. Miendrika atody mifandimby ny raviny. Somary miendrika trompetra sy manitra ary fotsy ny voniny, izay mirefy hatramin' ny 17 sm, manana vondrom-pelambony mizara 3 ka hatramin' ny 5 somary maranitra. Miendrika atody manana lavany 6 sm sy savaivony 4,5 sm ny voany.
Fisian' ny poizina
[hanova | hanova ny fango]
Tahaka ny ao amin' ny vondron-karazana Datura, dia misy akora mety hiteraka olana amin' ny fahasalaman' ny olombelona ny fihinanana azy ny taova an-drivotra rehetra ao amin' ny vondron-karazana Brugmansia (ravina, vony, voa, sns). Amin' ny ankapobeny dia misy trôpanina izy ireo, anisan' izany ny skôpôlaminina sy hiôsiaminina (izay atao hoe datorinina koa). Misy vokany mampahita ny tsy misy, ambony lavitra noho ny an' ny zavamaniry hafa miteraka, ary mety hahafaty, ny fihinanana azy ireo, na olombelona na biby. Mety miteraka fihalehibeazan' ny anakandriamaso na tsy fitovian-kaben' ny anakandriamaso ny fikasohany amin' ny maso.
Fampiasana azy
[hanova | hanova ny fango]Ampiasaina ho haingon-trano ny Brugmansia arborea nefa tsy mahatanty hatsiaka. Maniry tsara izy io amin' ny toetany antonony, eny amin' ny toerana voarakotra; mila tany be otrikaina sy voatondraka, mangatsiatsiaka ary maina amin' ny ririnina. Mitombo taranaka amin' ny alalan' ny famafazana na ny fanaovana tsatoboly ary ny fanaparitahana ny voany izy.