Hankany amin'ny vontoatiny

Brugmansia

Avy amin'i Wikipedia
Brugmansia suaveolens

Ny Brugmansia dia vondron-karazan-javamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Solanaceae. Maniry amin' ny endrika hazo na hazobotry izy ireo, misy voniny mitsirazorazo, ary tsy misy tsilo ny voany. Manome azy ireo ny anarana hoe "trompetran' anjely" ny endriky ny voniny lehibe sy mamerovero, mifanakaiky amin' ny anaran' ny vondron-karazana Datura hoe "trompetran-devoly" izay mitovitovy aminy.

Anisan' ny zavamaniry fanao haingo misy poizina indrindra ny karazana ao amin' ny Brugmansia, izay misy alkalôida trôpana mitovy karazana amin' ireo tompon' andraikitra amin' ny fanapoizinana sy ny voka-dratsy mampibedibedy ao amin' ny Datura stramonium sy ny Atropa bella-donna. Tsy fantatra afa-tsy amin' ny fambolena na rehefa tafala amin' ny fambolena ireo karazana fito ao amin' ny Brugmansia ireo, ary tsy mbola nisy karazana maniry hoazy (dia) voamarina hatramin' izay. Noho izany dia voatanisa ho lany tamingana amin' ny endrika maniry hoazy izy ireo araka ny lisitra menan' ny IUCN, na dia zavamaniry haingon-trano malaza aza, ary mbola misy any ivelan' ny faritra niaviany amin' ny maha karazana nampidirina azy. Ahiana ho lany tamingana ny endrika maniry hoazy noho ny faharinganan' ny biby sasany mpanaparitaka ny voany teo aloha, ary ny fambolena ataon' ny olombelona no niantoka ny fitohizan' ny fahaveloman' ilay vondron-karazana.

Taksônômia

[hanova | hanova ny fango]

Fivoaran' ny fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]
Brugmansia aurea
Brugmansia arborea (na Datura arborea teo aloha)

Nosokajian' i Linnaeus voalohany tao amin' ny vondron-karazana Datura ireo zavamaniry ireo tamin' ny famariparitany ny Datura arborea tamin' ny taona 1753. Avy eo, tamin' ny taona 1805, dia nafindran' i C. H. Persoon tany amin' ny vondron-karazana mitokana izy ireo, dia ny Brugmansia, izay nomena anarana avy amin' ny anaran' i Sebald Justinus Brugmans, mpandinika zavaboary neerlandey. Nandritra ny 168 taona hafa, ny mpanoratra isan-karazany dia nametraka azy ireo teo anelanelan' ny Brugmansia sy ny Datura, hatramin' ny taona 1973, izay nanaovan' i T.E. Lockwood azy ireo ho vondron-karazana misaraka, tamin' ny fampitahany amin' ny antsipiriany momba ny fahasamihafan' ny môrfôlôjiany, izay mbola tsy misy manohitra hatramin' izay.

Fanasokajiana anatiny

[hanova | hanova ny fango]

Ny Brugmansia amin' izao fotoana izao dia manana karazany fito miavaka. Ireo karazana ireo dia mizara ho vondrona roa voajanahary, manana foto-tarazo mitokana: ny Brugmansia sect. Brugmansia sy ny Brugmansia sect. Sphaerocarpium.

Brugmansia sect. Brugmansia

[hanova | hanova ny fango]
Brugmansia insignis

Ny fizaràna Brugmansia sect. Brugmansia (karazana maniry amin' ny faritra mafana) dia ahitana ireto karazana efatra ireto:

  • Brugmansia aurea Lagerh.
  • Brugmansia insignis (Barb.Rodr.) Lockwood ex R.E. R.E.Schult.
  • Brugmansia suaveolens (Willd.) Sweet
  • Brugmansia versicolor Lagerh.

Ny karazana amin' ity fizaràna ity dia mora ambolena kokoa noho ny ao amin' ny fizarana Sphaerocarpium. Tsy dia mora voan' ny viriosy izy ireo ary tsy dia sarotiny amin' ny mari-pana ambony (fa tsy mahatanty fanala kokoa).

Brugmansia sect. Sphaerocarpium

[hanova | hanova ny fango]
Brugmansia sanguinea

Ny fizaràna Brugmansia sect. Sphaerocarpium (karazana maniry amin' ny faritra mangatsiaka) dia ahitana ireto karazana telo ireto:

  • Brugmansia arborea (L.) Sweet
  • Brugmansia sanguinea (Ruiz & Pav.) D.Don
  • Brugmansia vulcanicola (A.S.Barclay) R.E.Schult.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]