Briôfita

Ny briôfita dia zavamaniry tsy ahitana fiavahan-taova na misy ravina nefa tsy misy lalan-dranon-kazo. Amin' ny zavamaniry ankehitriny, ny briôfita an-tanety sy ny briôfita an-drano dia ireo izay nitazona ny toetran' ny zavamaniry voalohany nameno ny tany maina. Ny razamben' ny zavamaniry an-tanety rehetra, noho izany ny an' ny briôfita koa, dia ahidrano maitso, ny Charophyceae.

Na dia ahafahan' izy ireo manohitra ny fahamainana aza ny rafitra anatômika sasany ananany, dia mbola miankina tanteraka amin' ny rano na ny tontolo mando ny briôfita, na amin' ny hamandoana kely indrindra amin' ny fotoana fananahany. Ny fitakiana ity fepetra ity dia tsy manakana ny fahafahany mifanaraka amin' ny tontolo isan-karazany izay ahafahan' izy ireo miaina any amin' ny faritra rehetra amin' ny Tany, manomboka amin' ny ekoatera ka hatrany amin' ny tendrontany.

Raha raisina amin' ny heviny malalaka, izany hoe amin' ny fanasokajiana nentim-paharazana, ny teny hoe "briôfita" dia mihatra amin' ny sampana telo amin' ny zavamaniry an-tanety izay tsy manana rafi-dalan-dranon-kazo tena izy: ny Marchantiophyta na Hepaticophyta (hepatika), ny Bryophyta s.s. (ny volombato, ny sphagnum) ary ny Anthocerotophyta (Anthocerota), mivondrona ao amin' ny zana-panjakana Bryobiotina ao amin' ny fanjakana Chlorobionta. Amin' ny heviny bôtanika henjana, ny briôfita noho izany dia mikasika ny volonkazo sy ny sphagnum (tsy anisany ny Marchantiophyta sy ny Anthocerotophyta).

Noho ny fananany karazana volombato sy sphagnum efa ho 25 000, sy karazana hepatika (Marchantiophyta) 9 000 , ary karazana Anthocerotophyta 300, ny briôfita no vondrona faharoa amin' ny zavamaniry an-tanety, aorian' ny Dicotyledonae (roa ravin-tsimoka).

Amin' ny maha singa manan-danja azy ireo eo amin' ny biôtôpy an' ala sy an-tendrombohitra, ny briôfita dia loharanom-pahasamihafan' ny zavamananaina manokana ao amin' ny tontolo mangatsiatsiaka na mando ary mandray anjara amin' ny fiasan' ny rafitra tontolo iainana, na amin' ny hetsika ara-tontolo iainana, na amin' ny fiforonan' ny nofon-tany ary amin' ny ankapobeny kokoa amin' ny tsingerina biôjeôsimika sy ny fandanjalanjana ny toetany.