Hankany amin'ny vontoatiny

Braktea

Avy amin'i Wikipedia
Rhinanthus minor: braktea daholo izay toa ravina amin' ity sary ity.

Ny braktea na brakte dia ravina miseho amin' ny endrika tsy mahazatra, noho ny habeny, ny endriny, na ny lokony, mipoitra eo am-pototry ny tangozan' ny vony tokana na an' ny vondrombony (ohatra: ny an' ny karazana ao amin' ny Tilia sy Arum ary Poaceae, sy amin' ny Pseudotsuga menziesii). Mety ho kely izy (ohatra, ao amin' ny Pseudotsuga menziesii) nefa mety goavam-be sy miloko (ohatra: ao m' ny Arum), indraindray mihidy eny amin' ny tenany (ohatra: Carex depauperata), indraindray mitambatra amin' ny braktea hafa (ohatra: ny an'ny Castanea izay misy tsilo). Misy ny misndrika satroboninahitra na vozon' ankanjo faribolana toy ny hita ao amin' ny Apiaceae sy ny Asteraceae (ohatra ny Daucus carota). Misy ny braktea izay mitambatra ka mamorona vondron-dravimbony faharoa (matetika maitso) eo ivelan' ny vondron-dravimbony mahazatra sy eo anelanelan' ny ravimbony mahazatra (ohatra: Fragaria, Dianthus, Malva, Gossypium).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]