Aller au contenu

Brahoy (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Brahoy tamin' ny taona 1910 any ho any

Ny Brahoy dia vondrom-poko dravidiana monina indrindra any Pakistàna, ary amin' ny ampahany kely any Afganistàna sy any Iràna. Miteny brahoy izy ireo, izay anisan' ny fianakaviam-piteny dravidiana.

Tena akaiky ny Balotsy, izay nifanakalozan' izy ireo toetra ara-kolontsaina maro, izy ireo. Noho ny fitokana-monin' ny fiten' izy ireo, raha mitaha amin' ny fiteny dravidiana hafa, sy ny fanakekezan' io fiteny io ara-jeôgrafia amin' ny fiteny balotsy, dia betsaka ny teny indrana avy amin' ny fiteny balotsy, Io fiteny io dia soratana tamin' ny abidy persô-arabo.

Ny Brahouis dia hita ao amin' ny faritr' i Merv (Torkmenistàna), ao Sindh (Pakistàna), ao amin' ny faritr' i Zahedan sy Zabol ao amin' ny faritanin' i Sistan-o-Baluchestan (ao Iràna), any amin' ny tapany atsimon' i Afganistàna ary ao Balochistan pakistaney.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]