Hankany amin'ny vontoatiny

Bougainvillea

Avy amin'i Wikipedia
Laingomena

Ny Bougainvillea vondron-karazana ao amin' ny fianakaviana Nyctaginaceae. Atao hoe laingomena na kavotse ny karazana ao aminy amin' ny teny malagasy. Zavamaniry vahy na hazobotry na hazo izy ireo. Teratany any Brezila, Bôlivia, Paragoay, Peroa ary Arzantina izy ireo. Avy amin' ny anaran' ilay mpikaroka Louis Antoine de Bougainville (1729-1811) ny anaran' ilay zavamaniry, izay noraketiny an-tsoratra ny iray tamin' ny diany.

Bougainvillea spectabilis

Tsy voniny na felam-boniny ireo heverina ho izany fa raviny miova loko (fotsy, mena, mavokely, volomparasy, mavo, sns) eny amin' ny tendron' ny rantsany. Kely sy fotsy ny tena voniny, ary hita eo anelanelan' ireo ravina miloko marevaka ireo. Eo anelanelan' ny 4 sy 22 ny isan' ny karazana ao amin' io vondron-karazana io.

Lisitry ny karazana

[hanova | hanova ny fango]
Bougainvillea sp fotsy any Tahiti

Indreto ny lisitry ny karazana izay miovaova arakaraka ny mpikaroka:

Araka ny The Plant List

[hanova | hanova ny fango]

Araka ny The Plant List tamin' ny 25 Septambra 2012 dia misy karazana 18 ny Bougainvillea:

  • Bougainvillea berberidifolia Heimerl , (1901)
  • Bougainvillea buttiana Holttum & Standl. , (1944)
  • Bougainvillea campanulata Heimerl , (1913)
  • Bougainvillea glabra Choisy , (1849)
  • Bougainvillea herzogiana Heimerl , (1915)
  • Bougainvillea infesta Griseb. , (1879)
  • Bougainvillea lehmanniana Heimerl , (1932)
  • Bougainvillea lehmannii Heimerl
  • Bougainvillea malmeana Heimerl , (1901)
  • Bougainvillea modesta Heimerl , (1901)
  • Bougainvillea pachyphylla Heimerl ex Standl. , (1931)
  • Bougainvillea peruviana Bonpl. , (1808)
  • Bougainvillea pomacea Choisy , (1849)
  • Bougainvillea praecox Griseb. , (1879)
  • Bougainvillea spectabilis Willd. , (1799)
  • Bougainvillea spinosa (Cav.) Heimerl , (1889)
  • Bougainvillea stipitata Griseb. , (1874)
  • Bougainvillea trollii Heimerl , (1932)

Araka ny Catalogue of Life

[hanova | hanova ny fango]
Bougainvillea sp ao La Réunion.

Araka ny Catalogue of Life dia misy karazana 16 ny Bougainvillea.

  • Bougainvillea berberidifolia Heimerl
  • Bougainvillea campanulata Heimerl
  • Bougainvillea glabra Choisy
  • Bougainvillea herzogiana Heimerl
  • Bougainvillea infesta Griseb.
  • Bougainvillea lehmanniana Heimerl
  • Bougainvillea malmeana Heimerl
  • Bougainvillea modesta Heimerl
  • Bougainvillea pachyphylla Heimerl ex Standl.
  • Bougainvillea peruviana Humb. & Bonpl.
  • Bougainvillea praecox Griseb.
  • Bougainvillea spectabilis Willd.
  • Bougainvillea spinosa (Cav.) Heimerl
  • Bougainvillea stipitata Griseb.
  • Bougainvillea trollii Heimerl
  • Bougainvillea × buttiana Holttum & Standl. (B. glabra × B. peruviana)

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]