Hankany amin'ny vontoatiny

Bombacaceae

Avy amin'i Wikipedia
Adansonia digitata
Bombax ceiba

Ny Bombacaceae dia fianakavian' ny hazo trôpikaly, betsaka any Amerika Atsimo. Ity fianakaviana ity dia ahitana karazana miavaka sasany. Ny santionany maro dia miavaka amin' ny fananany vatany matevina na mivohitra, izay ahafahan' izy ireo mitahiry rano betsaka, ary koa amin' ny tampony mahavariana, mivelatra sady somary fisaka. Miangona eo amin' ny tendron' ny rantsana matevina ny raviny. Ny voniny misy felany dimy sy lahimbony maro, dia lehibe sy manaitra amin' ny ankapobeny. Ny hodi-boany, izay indraindray misy elatra, dia misy volo madinika. Ny Bombacaceae dia ahitana karazana 180 mitsinjara amin' ny vondron-karazana 30.

Ny Bombacaceae dia fantatra hatry ny ela ho fianakavian-javamaniry mamony na Angiospermae. Ny anaran' ny fianakaviana dia nifototra tamin' ny vondron-karazana filamatra Bombax. Toy ny amin' ny anarana bôtanika, ny famaritana sy ny satan' ny taksôna maro dia miovaova arakaraka ny fomba fijery taksônômika, ary amin' izao fotoana izao dia ny famindrana ny ampahany be amin' ny fianakaviana Bombacaceae taloha ho any amin' ny zana-pianakaviana Bombacoideae ao anatin' ny fianakaviana Malvaceae ao amin' ny filaharana Malvales.

Ny sisa amin' ilay fianakaviana dia nafindra any amin' ny taksôna hafa, indrindra fa ny fianakaviana vaovao Durionaceae. Na inona na inona toe-javatra misy amin' izao fotoana izao, dia maro amin' ny karazana tany am-boalohany tao amin' ny Bombacaceae no manan-danja ara-tontolo iainana, ara-tantara, ara-kolontsaina ary ara-toekarena, toy ny Ochroma, ny Bombax ceiba, ny Adansonia ary ny Durio.

Vondron-karazana

[hanova | hanova ny fango]

Ny Bombacaceae dia ahitana karazana 180 mitsinjara amin' ny vondron-karazana 30.

  • Adansonia L.
  • Aguiaria Ducke
  • Bernoullia Oliv.
  • Bombax L.
  • Catostemma Benth.
  • Cavanillesia Ruiz & Pav.
  • Ceiba Mill.
  • Chiranthodendron Larreat.
  • Eriotheca Schott & Endl.
  • Fremontodendron Coville
  • Gyranthera Pittier
  • Huberodendron Ducke
  • Matisia Bonpl.
  • Neobuchia Urb.
  • Ochroma Sw.
  • Pachira Aubl.
  • Patinoa Cuatrec.
  • Pentaplaris L.O.Williams & Standl.
  • Phragmotheca Cuatrec.
  • Pseudobombax Dugand
  • Quararibea Aubl.
  • Scleronema Benth.
  • Septotheca Ulbr.
  • Spirotheca Ulbr.