Boky faharoan' i Baroka

Avy amin'i Wikipedia

Ny Boky faharoan' i Baroka dia boky apôkrifa (na pseodepigrafa) jiosy izay heverina fa nosoratana tamin' ny faramparan' ny taonjato voalohany na tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-2, taorian' ny naharavan' ny Tempolin' i Jerosalema tamin' ny taona 70. I Baroka no heverina ho nanoratra azy. Ny Jiosy sy ny ankamaroan' ny fiangonana kristiana anefa dia tsy mandray azy ho soratra masina. Atao hoe Apôkalipsy siriakan' i Baroka koa io boky io. Ny tapany voalohany, izay lehibe indrindra amin' ny boky (toko 1 - 77), dia tena soratra apôkaliptika tokoa fa ny tapany faharoa (toko 78-87) dia atao hoe Taratasin' i Baroka ho an' ny Foko sivy sy tapany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]