Boky amin' ny anaran' i Baroka
Fiseho
Ny boky amin' ny anaran' i Baroka dia bokim-pivavahana mifandray amin' ny fivavahana kristiana sy jiosy. Misy maromaro izy ireo, ka indreto ny efatra fantatra indrindra:
- ny Bokin' i Baroka (izay atao hoe koa Boky voalohan' i Baroka),
- ny Boky faharoan' i Baroka,
- ny Boky fahatelon' i Baroka ary
- ny Boky fahefatr' i Baroka.
Anisan' ny boky deoterôkanônika ao amin' ny Baiboly katôlika sy ny Baiboly ôrtôdôksa ny Boky voalohan' i Baroka. Manakilasy azy ho apôkrifa na pseodepigrafa ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ny Baiboly prôtestanta. Tsy ahitana ny boky amin' ny anaran' i Baroka ankoatr' ireo ny Baiboly rehetra (na hebreo na kristiana).
Atao hoe koa Apokalipsy Siriakan' i Baroka ny Boky faharoan' i Baroka. Atao hoe Apôkalipsy Grikan' i Baroka ny Boky fahatelon' i Baroka. Atao Paralipômenan' i Jeremia ny Boky fahefatr' i Baroka.