Boky amin'ny anaran'i Henoka

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny boky amin'ny anaran'i Henoka dia boky apokrifan'ny Baiboly izay nampitondrain'ny mpanoratra azy ny anaran'i Henoka (na Enoka). Misy telo ireo boky ireo dia ny Bokin'i Henoka sy ny Bokin'ny Tsiambaratelon’i Henoka ary ny Bokin'ny Lapa. Tsy i Henoka (na Enoka) no nanoratra azy ireo sady tsy mitovy ny olona nanoratra azy na dia atao hoe voalohany sy faharoa ary fahatelo aza izy ireo.

Ny Jiosy mpanoratra apokalipsa dia nitady anaran’olona malaza sady eken’ny lovantsofina fa afaka ny hiantoka ny fanambaràna izay tian’ireo mpanoratra ireo hampitaina. I Henoka dia lazain’ny Bokin’ny Genesisy fa "niara-nandeha amin’Andriamanitra" talohan’ny hampakarana velona azy any an-danitra (Gen. 5.24). Izy ilay ray mpitarika (patriarka) fahafito talohan’ny Safodrano. Tsy mahagaga raha izy izay voalaza fa mahalala ny zava-miafin’ny lanitra no nindramana anarana ho ana angon-tsoratra apokaliptika.

Fanehoana fohy ny boky tsirairay[hanova | hanova ny fango]

Ny Bokin'i Henoka[hanova | hanova ny fango]

Ny Bokin'i Henoka dia atao hoe koa Boky voalohan'i Henoka na Henoka Etiopiana. Ny famelabelarana ny amin’ny anjely sy ny devoly dia mibahana ao amin’io boky io. Maneho bebe kokoa ny fifanoheran'ny herin'ny tsara sy ny ratsy eto amin'izao rehetra izao (doalisma) ny boky. Voaresaka ao ny amin'ny atao hoe "Zanak'olona" izay hita koa ao amin'ny Testamenta Vaovao. Ny Bokin'i Henoka (na Henoka Etiopiana) dia deoterokanonika ao amin'ny Baiboly ortodoksa etiopiana.

Ny Boky faharoan'i Henoka[hanova | hanova ny fango]

Ny Bokin'ny Tsiambaratelon'i Henoka dia atao hoe koa Boky faharoan'i Henoka na Henoka Slava. Io boky io dia asa soratra apokaliptika rano fotsiny, izay nosoratana Jiosy (na Jiosy kristiana) palestiniana tamin’ny fiteny grika tamin’ny taonjato voalohany, nefa voatahiry tamin’ny fiteny slava tranainy ka izany no anaovana azy hoe Henoka slava. Tantaraina ao fa nanatanteraka dia lavitra namakivaky "lanitra fito" i Henoka sady nahazo fanambaràna misesisesy. Nosoritsoritina taminy ny famoronana an'izao tontolo izao ary naseho taminy ny tsiambaratelon’ny hoavy.

Ny Boky fahatelon'i Henoka[hanova | hanova ny fango]

Ny Boky fahatelon'i Henoka na Boky Hebreon'i Henoka na Bokin'ny Lapa dia fanagonan-tsoratra nataona raby tamin’ny taonjato faha-3 na faha-4 tal J.K., manana ny firehana misy firaisana lalina kokoa amin’Andriamanitra izay hita teo amin’ny fivavahana jiosy ntaolo kokoa.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]