Hankany amin'ny vontoatiny

Bokin' i Jôba

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Bokin'i Joba)
Harabin'ny vadiny i Joba, nataon'i Georges de La Tour (1625-1650)

Ny Bokin' i Jôba dia boky ao amin' ny Testamenta Taloha, ao amin' ny Baiboly, sy ao amin' ny Tanakh, boky masin' ny Jiosy, izay mahakasika ny fiainan' ny lehilahy iray atao hoe Jôba izay tsy niala tamin' ny finoana an' Andriamanitra na dia teo aza ny fahoriana lehibe nianjady aminy vokatry ny nataon' i Satana mpiampanga. Anisan' ny literatioram-pahendrena ny Bokin' i Jôba sady anisan' ny sokajy atao hoe Bokin' ny olon-kendry ao ao amin' ny Baiboly kristiana. Raha ao amin' ny Baiboly hebreo izy io dia anisan' ny ny Ketuvim sady atao hoe סֵפֶר אִיּוֹב / Séfer ʾĪyyōḇ.

Fiforonan-teny

[hanova | hanova ny fango]

Ny anarana hoe Bokin' i Jôba ao amin' ny Baiboly malagasy dia avy amin' ny teny anglisy hoe Book of Job na Job (prôtestanta) na ny teny frantsay hoe Livre de Job (katôlika) izay samy avy amin' ny teny latina hoe Liber Iob. Atao hoe Ιώβ / Iôb io boky io amin' ny teny grika fa אִיּוֹב / Iyov (na Iyob) kosa izy amin'ny teny hebreo. Ny soratra mialoha renifeo miendrika zanapeo izay vakina hoe "i" na "y" (/i/ na /j/) ao amin' ny Baiboly hebreo sy grika ary latina dia nanjary tononina hoe "j" (/dz/) na "z" (/z/) sy soratana hoe "j" ao amin' ny Baiboly malagasy.

Famintinana

[hanova | hanova ny fango]
I Jôba sy ireo sakaizany, nataon' i Ilya Repin, taona 1869.

Ao amin' ity tantara mampalahelo ity dia niampanga an' i Jôba teo anatrehan' Andriamanitra i Satana sady nilaza fa i Jôba dia tsy hanompo an' Andriamanitra raha niaina tao anaty fahoriana. Noporofoin' Andriamanitra amin' i Satana àry fa i Jôba mpanompony dia tsy hiala aminy, na dia ao anaty fahoriana aza. Navelan' Andriamanitra ny devoly mba hampahory an' i Jôba. Nanana sakaiza telolahy i Jôba izay niady hevitra taminy ny amin' ny antony niavian' izao fahoriana mahazo azy izao. Namaly azy ireo tsirairay i Jôba. Tamin' ny farany i Eliho izay tsy anisan' ireo telo ireo no nahalala ny tena anton' izao fitsapana izao. Amin' ny farany ny boky dia mitatitra ny lahateny nataon' Andriamanitra ka tonga teo amin' ny alitaram-panaovam-panatitra dorana i Jôba sy ireo namany niaiky ny fahadisoan-keviny. Namerina amin' ny laoniny ny fiainan' i Jôba sy nanome azy ankohonana vaovao indray Andriamanitra.

Fizaràn' ny boky

[hanova | hanova ny fango]

Azo zaraina enina ny Bokin' i Jôba:

  1. Teny fampidirana milazalaza ny toetr' i Jôba sy ny fizahan-toetra azy voalohany (Jôba 1 - 2);
  2. Teny irery fitarainana nataon' i Jôba noho ny fahoriany (Jôba 3);
  3. Resaka nifanaovany tamin' ny namany telo lahy (Jôba 4 - 27);
  4. Teny irery intelo miantoana nataon' i Jôba (Jôba 28 - 37);
  5. Teny nataon' Andriamanitra sy valin-tenin' i Jôba (Jôba 38 - 42:8);
  6. Teny farany nataon' i Jôba sy fiverenan' ny fiadanany (Jôba 42:9-17).

Tsongan-tsoratra

[hanova | hanova ny fango]
I Jôba, nataon' i  Léon Bonnat (1880)

31 Mahavona ny kofehin' Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?

32 Mahavoaka ny Mazarota amin' ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin' ny zanany va ianao?

33 Fantatrao va ny lalàn' ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan' ireny ny tany va ianao? (Jôba 38: 31-33)

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]