Bokin' ny Fanjakana (Baiboly)
(tonga teto avy amin'ny Bokin'ny Fanjakana (Baiboly))
Bokin' ny Fanjakàna no anarana iantsoana ireo boky efatra ao amin' ny Baiboly dia ny Boky voalohan'i Samoela hatramin' ny Boky faharoan'ny Mpanjaka ao amin' ny dikan-teny grikan' ny Testamenta Taloha atao hoe Septanta na Septoaginta. Ao amin' ny Septanta ny Boky voalohan' i Samoela dia atao hoe Boky voalohan' ny Fanjakana (grika: Α' Βασιλειών), ny Boky faharoan' i Samoela dia Boky faharoan' ny Fanjakana (grika: Β' Βασιλειών), ny Boky voalohan' ny Mpanjaka dia ny Boky fahatelon' ny Fanjakana (grika: Γ' Βασιλειών) ary ny Boky faharoan' ny Mpanjaka dia Boky fahefatry ny Fanjakana (grika: Δ' Βασιλειών).
Septoaginta sy Volgata | Baiboly hebreo | Baiboly kristiana ankehitriny | |
Bokin'ny Fanjakana
(Libri Regnum) |
Boky voalohan'ny Fanjakana
(Α' Βασιλειών) |
Bokin'i Samoela
(Sefer Shamuel) |
Boky voalohan'i Samoela |
Boky faharoan'ny Fanjakana
(Β' Βασιλειών) |
Boky faharoan'i Samoela | ||
Boky fahatelon'ny Fanjakana
(Γ' Βασιλειών) |
Bokin'ny Mpanjaka
(Sefer Melakhim) |
Boky voalohan'ny Mpanjaka | |
Boky fahefatry ny Fanjakana
(Δ' Βασιλειών) |
Boky faharoan'ny Mpanjaka |