Bokin' i Jôsipôna

Ny Bokin' i Jôsipôna na Bokin' i Iôsipôna, izay hafohezina amin' ny hoe Jôsipôna na Iôsipôna, dia anisan' ny boky tamin' ny Andro Antenantenany nanana ny maha izy azy teo amin' ny tantara jiosy, izay nadika tamin' ny fiteny maro ary naverina navoaka tamin' ny fanontana maro, ary tsatoka momba ny tantaram-pirenena jiosy. Atao hoe ספר יוסיפון / Sefer Yosipon ("Bokin' i Jôsipôna") izy io amin' ny teny hebreo.
Tantaran' ny Empira Rômana sy ny Jiosy tao izy io nanomboka tamin' ny tantaran' i Adama ka hatramin' ny andron' i Titosy. Nilaza ny mpanoratra fa nanao dika mitovy ny asa soratr' i Flavio Jôsefa, mpahay tantara jodeô-rômanina, araka ny hita amin' ny lohateny. Ity boky ity dia nosoratana tamin' ny taonjato faha-10 tany Italia tamin' ny vanim-potoana bizantina. Ny dikan-teny etiôpianan' ny Jôsipôna na ዜና፡ አይሁድ / Zena Ayhud ("Tantaran' ny Jiosy") dia neken' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Etiôpiana sy ny Fiangonana Ôrtôdôksa Teoahedo Eritreana ho kanônika. Hita ao amin' ny Baiboly amin' ny fiteny kôpta koa izy io.
Votoatiny
[hanova | hanova ny fango]Manomboka amin' i Adama sy ny zava-nisy ara-jeôgrafia tamin' ny arivo taona voalohany tal JK, ny mpanoratra dia mitodika any amin' ny tantaran' i Rôma sy ny an' Babilôna, ny fitantarana an' i Daniela, ny an' i Zerobabela (araka ny boky apôkrifa samihafa), ny Tempoly Faharoa, ary i Kirôsy Lehibe, ary hatramin' ny tantaran' i Aleksandra Lehibe sy ny mpandimby azy. Avy eo izy dia manome ny tantaran' ny Jiosy mpaka hatramin' ny fandravana ny Tempoly. Ny tapany farany dia mirakitra, ankoatra ny zavatra hafa, ny tantara fohy momba an' i Hanibala sy momba ny fanokanana ny emperora iray, izay tsy iza, araka ny voalazan' i Basnage, fa i Otto I, panapaka ny Empira Rômana Masina (nahazo satroboninahitra tamin' ny taona 962); ity no hany loharanom-baovao sy sarobidy indrindra momba ity zava-notranga ity. Raha marina ny hevitr' i Basnage, dia azo apetraka amin' ny faran' ny taonjato faha-10 ny daty namoronana ny Bokin' Josipôna. Ny Bokin' Josipôna dia nosoratana tamin' ny teny hebreon' ny Baiboly azo lazaina ho madio, mampiseho fironana amin' ny andian-teny sy fitenenana sasany somary ntaolontaolon' ny Baiboly, ary betsaka andalan-teny pôetika sy teny fanoharana filamatra ary vinavina filôzôfika.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Bokin' ny Sinôdô (Ser`atä Seyon, Te'ezaz, Gessew, Abtelis)