Bobby Farrell
| Bobby Farrell | |||
| Ankapobeny | |||
| Anarana | Bobby Farrell | ||
| Teraka | 6 Oktobra 1949 | ||
| Toerana | - | ||
| Maty | 30 Desambra 2010 | ||
| Fiaviana sy ny andraikitra | |||
| Firenena | |||
| Asa : | |||
| Fiainana manokana | |||

Roberto Alfonso Bobby Farrell (teraka: 6 Oktobra 1949 tao Sint Nicolaas, Aruba;maty: 30 Desambra 2010 tao Saint Petersburg, Rosia) dia mpandihy sy mpihira holandey izay nanjary fantatra tamin'ny 1975 ho mpikambana ao amin'ny tarika Boney M.
Fiainana
[hanova | hanova ny fango]Nipetraka tao amin’ny nosy Aruba niaviany i Farrell mandra-paha-15 taonany. Niasa tantsambo nandritra ny roa taona izy ary nanorim-ponenana tany Norvezy. Avy any izy dia nifindra tany Holandy, ary niasa ho disc jockey, ary nifindra tany Alemaina tatỳ aoriana. Tany Alemaina ihany koa dia niasa tamin'ny maha DJ izy, vao haingana tany Hannover.
Tamin'ny 1975, nokaramain'ny mpamokatra Frank Farian ho mpandihy ho an'ny tarika Boney M. izy ary nandray anjara tamin'ny fahombiazan'ny tarika tamin'ny choreografie dihy mihoa-pampana.
Tamin'ny Desambra 2010, hita faty tao amin'ny efitranony tao amin'ny hotely tao Saint-Petersburg i Farrell teo amin'ny faha-61 taonany nandritra ny fitetezam-paritra. Araka ny tatitry ny autopsie dia noho ny aretim-po no nahafaty azy.
Tafika: Boney M
| I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Bobby Farrell |