Bolgaria

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Biolgaria)
Sainan' i Biolgaria
Saritanin' i Bolgaria

I Biolgaria dia firenena ao Eorôpa Atsimo, ao amin' ny Saikanosy Balkanika. Ny renivohiny dia i Sofia. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 110,994 km2 ny velaran-taniny ary miisa 7 364 570 ny mponina ao aminy. Ny faritr'ora dia +2. Ny antsasa-manilan' ny tanin' i Bolgaria dia be hohasaha sy be tendrombohitra, ka hita ao indrindra ny Tendrombohitra Balkàna sy ny Tangoron-tendrombohitr' i Rhodope. Ny ampahatelon' ny velaran-tany kosa dia rakotra ala. Mamaritra an' i Bolgaria ao atsinanana ny Ranomasina Mainty. I Danuba no ony lehibe any, izay manefitra azy amin' i Romania.

Sarin-tanin' i Bolgaria

Ny Bolgariana no maro an' isa any Bolgaria (manakaiky ny 85 %), ahitana vahoaka vitsy an' isa koa ny any, ka isan' izany ny Armeniana, ny Grika, ny Rôma, ny Slava Makedôniana ary ny Torka. Manaraka ny fivavahana kristiana ôrtôdôksa ny ankamaroan' ny mponina (90 % any ho any).

Miompana amin' ny fambolena ny toekaren' i Bolgaria, ka isan' ny volena any ny katsaka, ny paraky, ny varimbazaha, ny voaloboka ary ny raozy. Mandroso ihany koa ny taozava-baventy momba ny fanodinana ny vokatry ny fambolena ho sakafo sy momba ny tsỳ. Miroborobo koa ny fizahàn-tany, indrindra noho ny fisian' ny tobim-pandroana ao amin' ny Ranomasina Mainty. Niditra tao amin' ny Vondrona Eorôpeana tamin' ny taona 2007 i Bolgaria.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Eorôpa

Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.

Kôntinenta eto an-tany

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.