Aller au contenu

Biby tsy manana hazondamosina

Avy amin'i Wikipedia
Biby tsy manana hazondamosina (Invertebrata)

Ny biby tsy manana hazondamosina dia biby tsy misy hazondamosina sy taolana amin' ny ankapobeny. Nofaritana teo aloha ho fisampanana iray izy io (Invertebrata) ka nampifanoherina amin' ny biby manana hazondamosina (Vertebrata) nefa raha ny marina dia mamorona vondrona parafiletika ary, vokatr' izany sy raha jerena ny fepetra fanasokajiana ankehitriny, dia tsy raisina ho taksôna ekena ao anatin' ny fanasokajiana ny zavamananaina intsony. Anisan' ny fisampanan' ny Invertebrata fantatra indrindra ny Arthropoda, ny Mollusca, ny Annelida, ny Echinodermata, ny Platyhelminthes (kankana fisaka), Cnidaria ary ny Porifera (spaonjy).

Mesonychoteuthis hamiltoni

Ny ankamaroan' ny karazam-biby dia tsy manana hazondamosina; ny tombantombana iray dia mametraka ny tarehimarika 97 %. Maro ny taksônan' ny biby tsy manana hazondamosina izay manana karazana be dia be sy isan-karazany kokoa noho ny fitambaran' ny karazana rehetra ao amin' ny zana-pisampanana Vertebrata. Miovaova be ny haben' ny karazana ao amin 'ny Invertebrata, manomboka amin' ny karazana Myxozoa izay mirefy 10 μm ka hatramin' ny angisy goavambe (Mesonychoteuthis hamiltoni) izay mirefy 9–10 m.

Polycarpa aurata (Chordata)
Branchiostoma lanceolatum (Cephalochordata)

Ny sasany amin' ireo antsoina hoe Invertebrata, toy ny Tunicata sy ny Cephalochordata, dia ao amin' ny zana-pisampanana Chordata izay mpihavana akaiky amin' ny Vertebrata, ka mifandray akaiky kokoa amin' ny Vertebrata noho ny amin' ny Invertebrata hafa. Izany dia mahatonga ny Invertebrata ho parafiletika, noho izany dia tsy misy heviny amin' ny taksônômia ny teny hoe Invertebrata.