Biby mpihinana zavamaniry
Fiseho

Ao amin' ny zôôlôjia, ny biby mpihinana zavamaniry dia (biby mampinono, bibikely, trondro, sns) mivelona voalohany indrindra amin' ny fihinanana zavamaniry velona na voatahiry (ohatra, vilo-maina), ary amin' ny ankapobeny mivelona amin' ny akoran-javamaniry fa tsy amin' ny hena, tsy amin' ny tay, tsy amin' ny holatra, sady tsy amin' ny fatin-javamananaina. Atao hoe heterôtrôfa ireo biby satria manana loharanon-tsakafo lehibe indrindra ao amin' ny zavamananaina aotôtrôfa.