Aller au contenu

Biby manana hazondamosina

Avy amin'i Wikipedia
Vertebrata

Ny Vertebrata na biby manana hazondamosina dia zana-pisampanan' ny Chordata ao amin' ny klada Olfactores ary miavaka noho ny fananana karana anatiny misy karandoha sy hazondamosina. Izy ireo no mamorona ny ampahany be amin' ny fisampanana Chordata, izay ahitana karazana voafariparitra efa ho 70 000 eo ho eo. Amin' izao fotoana izao dia ampidirina ao amin' io zana-pisampanana Vertebrata io ny Myxinidae (trondro tsy misy valanorano) na dia tsy manana hazondamosina aza izy ireo.

Ny fihenan' ny isan' ny Vertebrata teo anelanelan' ny faran' ny taonjato faha-20 sy ny fiandohan' ny taonjato faha-21, izay hitan' ny Firenena Mikambana sy ny WWF, dia vokatry ny asan' ny olombelona indrindra. Teo anelanelan' ny taona 1970 sy 2020 dia nihena efa ho 70 % ny tondro planeta velona, ​​izay manara-maso ny mpikambana ao amin' ny karazam-biby manana hazondamosna 4 000 maneran-tany. Maherin' ny 500 ny karazam-biby manana hazondamosina nanjavona teto ambonin' ny tany tamin' ny taonjato faha-20 (mitovy amin' izay niseho nandritra ny 10 000 taona, tsy anisan' izany ny famongorana lehibe).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]