Biby fiompy
Ny biby fiompy dia biby vokatry famolahana azy ireo ho azo ompiana sy ho tamana. Ao amin' ny lalàna anefa, ny famaritana ny atao hoe "biby fiompy" dia mety tsy mitovy ka mety voafetra amin' ny karazam-biby vitsivitsy. Amin' ny heviny voalohany, ny biby fiompy diany biby rehetra monina eo amin' ny manodidina ny tranon' ny olombelona sy ny mifanerasera amin' ny olombelona, ka izany no manavaka azy ireo amin' ny biby dia.
Lisitry ny biby fiompy
[hanova | hanova ny fango]
Inty ny lisitry ny biby fiompy miisa 40, araka ny fandravonana nataon' ny FAO[1] sy ny fikarohana toy ny an' i Jared Diamond[2], ahitana ny karazany sy ny fampiasana azy ireo lehibe ary ny faritra sy ny fotoana niavian' ny famolahana azy ireo ho azo ompiana. Atao anaty fonon-teny ny anarana amin' ny teny malagasy raha misy na amin' ny teny hafa.
Biby mampinono
[hanova | hanova ny fango]
Manodidina ny 18 ny isan' ny karazana biby mampinono ompiana (fr):
- Canis lupus familiaris (alika) – fanao namana, enti-mihaza, mpiambina tanàna – fiaviany: Azia Atsinanana / Atsinanana Afovoany (≈ 15 000 taona).
- Felis catus (saka na piso)– fanao namana, iadiana amin' ny biby mpikiky – fiaviany: Ejipta sy ny Tsinambolana Lonaka (≈ 9 000 ans).
- Bos taurus / Bos indicus (omby) – ahazoana hena sy ronono, ampitarihina sarety sy angadin' omby – fiaviany: Atsinanana Akaiky (Bos taurus), Lohasahan' i Indosy (Bos indicus). (jereo: fiompiana omby)
- Bubalus bubalis (bofalôn' i Azia) – ahazoana hena sy ronono, ampitarihina sarety sy angadin' omby – fiaviany: India / Azie Atsimo Atsinanana.
- Bos grunniens (iàka) – ahazoana hena sy ronono, ampitarihina sarety sy angadin' omby – fiaviany: Lembalemba Tibetana.
- Equus caballus (soavaly) – ampiasaina amin' ny fitaterana, amin' ny ady, amin' ny fitarihana kalesa sy angadin' omby – fiaviany: Savok' i Azia Afovoany (Kazakstana, Okraina).
- Equus asinus (boriky) – ampiasaina amin' ny fitaterana sy amin' ny fitarihana – fiaviany: Afrika Atsinanana (Lohasahan' i Nily).
- Equus asinus x Equus caballus (ramole: safiotra solavalivavy sy borikilahy) – ampiasaina amin' ny fitaterana sy amin' ny fitarihana – fiaviany: Atsinanana Afivoany.
- Camelus bactrianus (rameva) – ampiasaina amin' ny fitaterana, ahazoana ronono sy volony – fiaviany: Asie Afovoany.
- Camelus dromedarius (rameva tokan-trafo) – ampiasaina amin' ny fitaterana, ahazoana ronono sy hena – fiaviany: Arabia.
- Lama glama (Lamà fotsy) – ahazoana volony, ampiasaina amin' ny fitaterana – fiaviany: Andes (Pero, Bôlivia).
- Vicugna pacos (alpaga) – ahazoana ronono sy volony – fiaviany: Andes afovoany: .
- Sus scrofa domesticus (kisoa) – ahazoana hena sy tavy – fiaviany: faritra maro, anisany i Sina, i Torkia, Azie Atsimo Atsinanana. (jereo: fiompiana kisoa)
- Ovis aries (ondry) – ahazoana ronono sy volony ary hena – fiaviany: Tsinimbolana Lonaka. (jereo: fiompiana ondry)
- Capra hircus (osy) – ahazoana ronono, volony, hena ary hoditra – fiaviany: Atsinanana Akaiky (Zagros any Iràna). (jereo: fiompiana osy)
- Rangifer tarandus (karibo)– ampiasaina amin' ny fitaterana, ahazoana ronono sy hena – fiaviany: Siberia / Skandinavia.
- Oryctolagus cuniculus (bitro eorôpeana) – ahazoana volony sy hena – fiaviany: Saikinosy Iberika / faritra atsimo amin' i Frantsa.
- Mustela putorius furo (frantsay: furet) – iadiana amin' ny biby mpikiky sy ihazana bitro– fiaviany: Eorôpa.
Vorona
[hanova | hanova ny fango]
Miisa 12 eo ho eo ny vorona fiompy (fr):
- Gallus gallus domesticus (akoho) – ahazoana atody sy hena – fiaviany: Azie Atsimo Atsinanana. (India, Tailandy). (jereo: fiompiana akoho)
- Meleagris gallopavo (vorontsiloza) – ahazoana hena – fiaviany: Meksika.
- Anas platyrhynchos domesticus) (frantsay: canard colvert) – ahazoana atody sy hena – fiaviany: Sina.
- Cairina moschata domestica (dokotra) – ahazoana hena – fiaviana: Amerika Atsimo (faritra Andes).
- Anser anser domesticus (frantsay; oie cendré) – ahazoana volony sy hena – fiaviana: Eorôpa (Grisia), Ejipta.
- Anser cygnoides domesticus) (frantsay: oie cygnoïde) – ahazoana volony sy hena – fiaviana: Sina.
- Numida meleagris (akanga) – ahazoana hena – fiaviana: Afrique de l’Ouest.
- Coturnix japonica (karazzana kibobo) – ahazoana atody sy hena – fiaviana: Japana / Azia Atsinanana.
- Columba livia domestica (karazana voromailala) – ahazoana hena sy mampita hafatra – fiaviana: Atsinanana Akaiky / faeitra manodidina an' i Mediterranea.
- Pavo cristatus (karazana vorombola) – ahazoana fihaingoana – fiaviana: India.
- Struthio camelus (karazana aositrisy) – ahazoana volony sy hena ary hoditra – fiaviana: Afrika.
- Dromaius novaehollandiae (karazana emo) – ahazoana volony sy hena – fiaviana: Aostralia.
Trondro sy biby anaty rano
[hanova | hanova ny fango]
Miisa eo amin' ny 5 ny biby anaty rano (fr) fiompy (fr):
- Cyprinus carpio (karazana karpa) – atao sakafo – fiaviana: Sina / Eorôpa Atsinanana.
- Oreochromis spp. (karazana tilapia maro) – atao sakafo – fiaviana: Afrique (Nil, lacs africains).
- Salmo salar (frantsay: saumon de l’Atlantique) – atao sakafo – fiaviana: Atlantika Avaratra.
- Oncorhynchus mykiss (karazana antebdro) – atao sakafo – fiaviana: Atlantika Avaratra / morontsirak' i Pasifika.
- Carassius auratus (trondro mena) – atao haingon-trano – fiaviana: Sina.
Biby tsy manana hazondamosina
[hanova | hanova ny fango]
Misy 3 ny biby tsy manana hazondamosina ompiana:
- Apis mellifera (tantely fiompy) – ahazoana maminy sy savoka, mpamindra vovobony – fiaviana: Afrika / Eorôpa / Atsinanana Afovoany.
- Bombyx mori (karazana bibindandy) – famokarana landy – fiaviana: Sina.
- Dactylopius coccus – famokarana fandoko – fiaviana: Meksika.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ "Commission on Genetic Resources for Food and Agriculture", www.fao.org
- ↑ "Guns, Germs, and Steel: The Fates of Human Societies", bookreadfree.com