Bengaly
Fiseho

I Bengaly amin' izao fotoana izao dia manondro faritra ara-jeôgrafia any amin' ny ilany atsinanan' ny Zana-Kôntinenta Indiana ifampizaran' i India sy i Bangladesy. Ny anarana hoe Bengaly dia tsy nandrakotra faritra mitovy tanteraka nandritra ny taonjato maro. Ity faritra ity koa dia mifanandrify amin' ny ankapobeny amin' ny faritra itenenana ny fiteny bengaly. I Bengaly ara-tantara dia mirefy 250 000 km2 eo ho eo, ary ankehitriny, ny fanjakan' i Bangladesy dia manana mihoatra ny 50 % amin' ny velaran' i Bengaly ara-tantara.