Bazardüzü
I Bazardüzü dia tendrombohitra ao amin' ny tandavan-tendrombohitr' i Kaokazy Lehibe eo amin' ny sisin-tany manasaraka an' i Azerbaijàna sy i Rosia (Dagestàna). Atao hoe Bazardüzü dağı [bɑzɑrdyˈzy] izy amin' ny teny azerbaijaney; Кичӏен сув [kiˈtʃʼe suv] amin' ny teny lezgiana, fa Базардюзю [bəzərdʲʉˈzʲu] kosa amin' ny teny rosiana. Mahatratra 4 466 m ambonin' ny haabon' ny ranomasina izy io ka izy no tampona avo indrindra any Azerbaijàna sy Dagestàna, ary any amin' ny faritr' i Qusar no misy azy. Ny teboka farany atsimon' i Dagestan (noho izany farany atsimon' i Rosia) dia eo amin' ny 7 km any atsimo-andrefan' io tendrombohitra io. Amin' ny teny azerbaijaney ny hoe Bazardüzü dia midika hoe "kianjan-tsena", ary ny marimarina kokoa ho mari-pamantarana manokana midika hoe "mitodika any amin' ny tsena". Tamin' ny Andro Antenatenany dia nisy tsenabe nandraisan' ny firenena maro anjara isan-taona ny tao amin' ny Lohasahan' i Shahnabad any atsinanan' io tendrombohitra io.
Fiakarana teny
[hanova | hanova ny fango]I G. P. Baker sy i G. Yeld no olona voalohany niakatra eny amin' i Bazardüzü tamin' ny taona 1890, daty nandraiketana an-tsoratra ny fiakarana eny voalohany. Ny fahavaratra no heverina ho vanim-potoana mety indrindra hiakarana eny. Misy lalana roa ahazoana miakatra eny: ny voalohany avy ao avaratra-atsinanana ary ny faharoa avy ao atsimo-andrefana. Azo atomboka ao amin' ny tanànan' i Khinalug (distrikan' i Quba) sy ao amin' ny tanànan' i Laza (distrikan' i Qusar) ny fiakarana ao avaratra-atsinanana. Ny lalana ao atsimo-andrefana kosa dia manomboka ao amin' ny tanàna roa ao afovoan' ny distrikan' i Qabala: i Laza (mitovy anarana amin' ny tanàna ao Qusar) sy i Qəmərvan. Ny lemaka tondrahan' ny reniranon' i Yataqdərə (ceb) no fiaingan' ny fiakarana eny an-tampony izay manana haabo mirefy 2 800 m.