Batrelaky
Fiseho
Ny batrelaky dia mozika avy any atsimo-atsinanan' i Madagasikara indrindra eo anelanelan' i Manakara sy Farafangana. Ity karazana mozika ity dia atao amin' ny angorodao, ny gitara, ny gitara beso ary ny amponga. Karazana mozika malagasy nentim-paharazana mahazatra indrindra izy io. Amin' ny fiaraha-mientana handihizana izany, ny vahoaka dia misikina firaky (ho an' ny vehivavy) sy salaka (ho an' ny lehilahy).