Bateria
Fiseho

Ny bateria dia fitambarana singa mpanangona aratra izay ahafahana mitahiry angovo araka aratra amin' ny endrika simika. Azo ampiasaina amin' ny fampiharana isan-karazany ny bateria, manomboka amin' ny fitaovana elektrika sy elektrônika ao an-trano ka hatramin' ny fiara sy fitahirizana tsy mifindra toerana. Miankina amin' ny filana ny isa sy ny fandaminana ny singa mpanangona aratra dia azo amboarina mba hamoronana mpamokatra aratra amin' ny zitina sy ny habetsaham-pahana ilaina.