Simôna Bar Kôkhba

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Bar-Kokba)
Sarin' i Simôna Bar Kôkba

I Simôna Bar Kôkhba dia lehilahy mpitarika ny fikomian' ny Jiosy na Jody tamin' ny Rômana teo anelanelan' ny taona 132 sy 135.

Ny anarany[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny teny arameana ny anarany dia atao hoe שמעון בר כוכבא / Shimon bar Kokhba izay midika hoe "Simôna zanaky ny kintana".

Tantarany[hanova | hanova ny fango]

Sarin' i Simôna Bar Kôkhba, eo amin' ny Knesset Menorah ao Jerosalema

Tamin' izany fotona izany dia niezaka hampanjaka ny kolontsana rômana tao Jodea na Jodia ny emperora Hadriano (latina: Publius Aelius Hadrianus Augustus) ka tsy namela ny Jiosy hiditra ao Jerosalema afa-tsy andro iray isan-taona, ary nandrara azy ireo tsy hanao famorana. Raikitra noho izany ny fikomian' ny Jiosy. I Bar Kôkhba no nitarika izany fikomiana izany, izay notohanan' ny iray amin' ny raby nankatoavin-teny indrindra tamin' izany, dia i Akiva ben Jôsefa, izay nanambara an' i Bar Kôkhba ho Mesia (hebreo: מָשִׁיחַ‎ / māshîaḥ) nalefan' Andriamanitra hamerina indray ny fanjakan' i Israely sy hanjaka amim-pahamarinana amin' ny olombelona rehetra.

Vola volafotsy amin' ny anaran' i Bar Kôkhba

Nanangona tafika lehibe i Bar Kokhba, izay nahitana Jiosy avy ao Jodea sy avy amin' ny firenena hafa any Atsinanana. Nandresy ny tafika rômana i Bar Kokhba sady naka an' i Jerosalema sy tanan-dehibe dimampolo eo ho eo ary tanàna madinika maro koa.

Ny toerana nisy an' i Betàra

Nanangana tafika vaovao indray i Hadriano nefa mbola ravan' ny tafik' i Bar Kôkhba izany. Noho izany dia niantso mpitari-tafika mahay i Hadriano, dia i Jolio Severo (latina: Sextus Julius Severus), izay niady nandritra ny andro maro ka nanapitra ny fikomiana jiosy tao amin' ny famaharana Betàra (hebreo: בֵּיתַּר / Bethar) ao akaikin' i Jerosalema izy tamin' ny volana Aogositra 135. Tamin' izany no nahafatesan' i Bar Kôkhba.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]