Hankany amin'ny vontoatiny

Banky Foiben' i Madagasikara

Avy amin'i Wikipedia
Banky Foiben' i Madagasikara

Ny Banky Foiben' i Madagasikara (BFM) dia banky ambonin' ny banky sy ny fitehirizam-bola hafa rehetra izay manana alalana manokana hametra ny vola ampiasaina eto Madagasikara. Tamin' ny 12 Jona 1973 no nananganana azy, ka izy izany no mpandimby ny Institut d'Émission Malgache. Tamin' ny taona 2005 izy dia nanova anarana ny vola malagasy izay naverina amin' ny anarany hoe "Ariary" fa tsy "Franc malagasy" intsony.

Vola malagasy mbola nahitana farany ny Franc nivoaka tamin' ny taona 1994.

Ao no maka na mametraka vola ny Tahirimbolam-panjakana malagasy sy ny banky hafa rehetra -- toy ny Bank Of Africa (BOA), ny Banque nationale de l'industrie (BNI), Banque malgache de l'océan Indien (BMOI), ny Banky Fampandrosoana ny Varotra (BFV), sns -- ary ny mpisahana ny famatsiam-bola madinika.

Sampana sy masoivoho

[hanova | hanova ny fango]

Manana sampana roa ny Banky Foiben' i Madagasikara:

  • Toamasina TMS
  • Fianarantsoa FIA

Masoivoho

[hanova | hanova ny fango]

Manana masoivohoroa ny Banky Foiben' i Madagasikara:

  • Antsiranana ATS
  • Nosy Be NSB
  • Mahajanga MGA
  • Sambava SBV
  • Manakara MKR
  • Tolagnaro FTD
  • Morondava MDV
  • Toliary TUL

Ny governora nifandimby

[hanova | hanova ny fango]

Indreto ny governora nifandimby tao amin' ny Banky Foiben' i Madagasikara:

  • 1973-1983: Leon Maxime Rajaobelina
  • 1984-1988: Richard Randriamaholy
  • 1988-1993: Blandin Razafimanjato
  • 1993-1994: Raoul Joëlson Ravelomanana
  • 1996-2007: Gaston Edouard Ravelojaona
  • 2007-2012: Frédéric Rasamoely
  • 2012-2013: Guy Ratovondrahona
  • 2013-2014: Vonimanitra Razafimbelo
  • 2014-2019: Alain Rasolofondraibe
  • hatramin' ny 2019: Henri Rabarijohn

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]