Banky Afrikana ho an' ny Fampandrosoana

Ny Banky Afrikana momba ny Fampandrosoana izay fantatra amin' ny hoe BAD dia banky ahitana firenena maro (miisa 81), izay natsangana mba handray anjara amin' ny fampandrosoana sy ny fandrosoana ara-tsôsialy ho an' ny firenena afrikana. Amin' ny teny frantsay izy dia atao hoe Banque africaine de développement (na BAD), fa amin' ny teny anglisy kosa dia African Development Bank (na AfDB).
Naorin' ny Firaisambe Afrikana (izay nialoha ny Vondrona Afrikana) tamin' ny taona 1964 ny BAD izay manana foibe any Abidjan (Kôtidivoara). Misy fikambanana telo ity vondrona ity:
- ny Banky Afrikana ho an' ny Fampandrosoana (African Development Bank) sy
- ny Tahirim-Bola Afrikana ho an' ny Fampandrosoana (African Development Fund) izay samy naorina tamin' ny 1972, ary
- ny Tahirim-Bola Manokan' i Nizerià (Nigeria Trust Fund), naorina tamin' ny taona 1976.
Ny tanjon' ity banky ity dia ny hiady amin' ny fahantrana sy ny hanatsara ny fari-piainan' ny mponina aty Afrika amin' ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola ho an' ny fanjakana sy ny tsy miankina amin' ny tetikasa sy fandaharan' asa izay afaka hitondra anjara biriky amin' ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsôsialy ao amin' ny faritra. Mpamatsy vola ho an' ny firenena afrikana maro sy orinasa tsy miankina mampiasa vola any amin' ny firenena mpikambana ao amin' ny faritra ny BAD.
Ny foiben' ny Banky Afrikanina ho an' ny Fampandrosoana tamin' ny taona 2003-2014) dia tany Tunis (Tonizia).