Banky
Fiseho

Ny banky dia rafitra ara-bola izay manao indrindra asa faovana petra-bola sy fampitrosam-bola ary fandoavam-bola. Azo anondroana ny sehatr' asa ara-toekarena momba ny vola amin' ny ankapobeny ny teny hoe banky. Mitana anjara toerana lehibe amin' ny fahamarin-toeran' ny vola sy ny fitantanana azy ary ny fiasany ny banky, ary amin' ny ankapobeny eo ambany fanaraha-maso henjana avy amin' ny fanjakana. Ny 4 Desambra no andro iraisam-pirenena ho an' ny banky.