Baniaroanda

Avy amin'i Wikipedia

Ny Baniaroanda dia vondrona ara-kolontsaina sy ara-piteny izay miteny kiniaroanda sy monina ao Roanda sy any amin' ny faritra nikambana tamin' ny Fanjakan' i Roanda talohan' ny fanjanahan-tany. Mitsinjara ho zana-bondrona telo ny Baniaroanda, dia ny Hoto (na Bahoto) sy ny Totsy (na Batotsy) ary ny Toà (na Batoà). Misy amin' ny Baniaroanda ny miandry ny biby fiompiny any amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô (ao amin' ny faritany Nord-Kivu sy Sud-Kivu) hatramin' ny andro taloha elabe ary ny sasany amin' izy ireo dia niorim-ponenana ao taorian' ny fifindrà-monina tamin' ny vanimpotoan' ny fanjanahan-tany sy taty aoriana. Ahitana azy ireo koa ny any amin' ny tapany andrefan' i Oganda (miisa 1 tapitrisa any ho any). Vahoaka akaikin' ny Baniaroanda ny Baniamolenge.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]