Aller au contenu

Baniany (sarangam-poko)

Avy amin'i Wikipedia
Baniany avy any Goa tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-19.

Ny Baniany na Baniana na Banià na Vanià na Vany dia sarangam-poko mpivarotra, indrindra avy amin' ny fanjakan' i Rajasthan sy ny fanjakan' i Gujarat any India, manana vondrom-piarahamonina am-pielezana manan-danja any Uttar Pradesh, any Madhya Pradesh, any Bengaly Andrefana, any Maharashtra (indrindra fa ao Mumbai) ary any amin' ny fanjakana avaratra maro any India. Hita ao amin' izy ireo ny mpivarotra, ny mpitantana banky, ny mpampindram-bola misy antoka, ny mpivarotra voamadinika na zava-manitra, ary ankehitriny koa any amin' ny sehatra maro hafa. Io teny io dia manana heviny mivelatra kokoa any Bengaly (any India sy any Bangladesy) noho ny any amin' ny toeran-kafa any India, izay ampiaharana azy amin' ny sarangam-poko manokana sasany.

Famotoran-teny

[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe Bania dia avy amin' ny teny sanskrity hoe vaṇij na baṇij, izay midika hoe "mpivarotra". Any amin' ny faritra andrefana amin' i India dia antsoina hoe Vani na Vania izy ireo. Any Bengaly, io teny io dia anondroana ny olona rehetra mandray anjara amin' ny fampindramam-bola sy ny asa mitovitovy amin' izany; any amin' ny toerana hafa any India dia anondroana ny sarangam-poko sasany manokana ihany izany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]