Babyrousa

Ny Babyrousa dia vondron-karazana ao amin' ny fianakavian'a Suidae, hita any amin' ny nosin i Indônezia (Sulawesi, Tongian, Sula ary Buru). Ny karazana rehetra amin' ity vondrona ity dia noheverina ho anisan' ny karazana tokana hatramin' ny taona 2002, dia ny Babyrousa babyrussa, nefa taorian' izany dia nizarazara ho karazana maromaro. Ity anarana siantifika ity dia voafetra ho an' ny Babyrousa babyrussa any amin' ny nosy Buru sy Sula, fa ny karazana fantatra indrindra, any Sulawesi Avaratra, dia antsoina hoe Babyrousa celebensis. Ny lahy dia manana vangy fiarovana lava sady miolika miakatra, izay mandoaka ny nofo amin' ny orony. Ny karazana rehetra ao amin' ilay vondrona dia tandindomin-doza araka ny lazain' ny International Union for Conservation of Nature (IUCN).
Fanoritsoritana
[hanova | hanova ny fango]
Ny Babyrousa dia manana vangy fiarovana efatra mandeha tsiroaroa, izay miakatra eo ambonin' ny oronny. Ireo dia vangy ao amin' ny valanorano ambony, izay mitombo sady miolaka mianambony. Amin' ny lahy, ny vangy roa ambony dia mivoatra kokoa (hatramin' ny 30 cm), sady mifaingoka mankany aoriana mandra-pidirany ao amin' ny hoditra. Izany dia miteraka fery sy aretina ary mamono azy avy eo. Ao amin' ny vavy kosa dia kely io vangy fiarovana io na tsy misy mihitsy aza.

Manana tongotra mitovy amin' ny an' ny kisoadia izy io. Manana orona fisaka toy ny an’ ny kisoa koa izy ireo. Ny hoditry ny Babyrousa dia tsy misy volo firy, ary kely dia kely ny volo, toy ny an' ny kisoa sy ny an' ny olombelona. Tombanana ho 4 000 ny fitambaran' ny mponina Babyrousa, izay miparitaka amin' ny nosy maromaro. Atahorana ho lany tamingana io karazam-biby io. Indraindray izy io dia hazaina mba hompina fa indrindra hahazoany ny henany.
Karazana
[hanova | hanova ny fango]Arakaraka ny mpanoratra dia misy karazana tokana manana zana-karazana maromaro ny Babyrousa:
- Babyrousa babyrussa
- Babyrousa babyrussa celebensis (syn. Babyrousa celebensis);
- Babyrousa babyrussa togeanensis (syn. Babyrousa togeanensis);
- † Babyrousa babyrussa babyrussa;
- † Babyrousa babyrussa beruensis ;
- † Babyrousa babyrussa bolabatuensis (syn. Babyrousa bolabatuensis).
Araka ny MSW sy ADW: