Hankany amin'ny vontoatiny

BRICS

Avy amin'i Wikipedia
BRICS tamin' ny taona 2025

Ny BRICS dia fikambanana irausam-pireana ahitana firenena folo tamin' ny taona 2025: Brezila, Rosia, India, Sina, Afrika Atsimo, Ejipta, Etiôpia, Indônezia, Iràna ary Emiràta Arabo Mitambatra, izay mikendry ny hifaninana amin'ny G7.

Niorina tamin'ny taona 2006 izy tamin' ny anarana hoe BRIC, izay fikambanan' ny firenena efatra:  Brazila,  Rosia,  India ary  Sina (amin'ny teny anglisy: Brazil, Russia, India, China) izy io, ary nitarina mba hampidirana an'i  Afrika Atsimo tamin'ny 2010.

Tamin'ny taona 2024,  Iran, Ejipta,  Etiopiaary  Emirata Arabo Mitambatra no nanatevin-daharana, ka izany no nahatonga ny fikambanana antsoina koa hoe BRICS plus. Voaray ho mpikambana feno i  Indonezia tamin'ny taona 2025.

Tamin' ny Janoary 2025, ny firenena folo ao amin' ny BRICS+ dia onenan' ny antsasaky ny mponina eran-tany ary misahanany 35 % amin' ny harinkarena faobe maneran-tany raha ampitahaina amin' ny 44 % ho an' ny firenen' ny G7.

Ao anatin' ny vondrona BRICS+, ny vola ampiasaina amin' ny varotra iraisam-pirenena dia ny yuan, ny vola sinoa. Ny BRICS+ dia mikasa ny hamorona vola iombonana; io vola io dia mety hiteraka fihenan-danja lehibe amin' ny dôlara amerikana, izay mandraka ankehitriny ny vola matanjaka indrindra eran-tany.