Hankany amin'ny vontoatiny

Azraela

Avy amin'i Wikipedia
Araka ny voalazan' i Brendan Cole, ity sary hosodoko maneho an' i Azraela ity dia mifandray amin' ny tononkalon' i Delville tamin' ny taona 1892 antsoina hoe "Azraël" (navoaka tao amin' ny bokiny Les Horizons Hantés)

I Azraela no anjelin' ny fahafatesana ao amin' ny finoana silamo, izay niseho taonjato maro talohan' izay ao amin' ny soratra apôkrifa Apôkalipsin' i Petera. Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe עֲזַרְאֵל / ʿǍzarʾēl, izay midika hoe "Nanampy Andriamanitra", fa amin' ny teny arabo kosa dia عزرائيل / ʿAzrāʾīl na ʿIzrāʾīl.

Raha oharina amin' ny hevitra mitovitovy amin' izany, dia mitana anjara asa soa amin' ny maha anjelin' ny fahafatesana irak' Andriamanitra azy i Azraela; manao ny asan' ny mpitari-dalana ny fanahy (amin' ny teny grika: ψυχοπομπός / psychopompós,) izy, tompon' andraikitra amin' ny fitondrana ny fanahin' ny maty aorian' ny fahafatesany. Ao amin' ny finoana silamo dia voalaza fa mitazona horonam-boky momba ny hiafaran' ny olombelona izy, mirakitra ny anarany amin' ny fahaterahany sy mamafa an' izany amin' ny fahafatesany, mitovy amin' ny anjara asan' ny מלאך המוות / malakh ha-mavet (anjelin' ny fahafatesana) ao amin' ny jodaisma.

Arakaraka ny fomba fijery sy ny fitsipiky ny fivavahana isan-karazany iresahana azy, dia azo aseho ho mponina ao amin' ny Lanitra Fahatelo, fizaràn' ny Lanitra amin' ny jodaisma sy ny silamo. Ao amin' ny finoana silamo dia iray amin' ny arkanjely efatra izy, ary fantatra amin' ny hoe ملك الموت / Malak al-Mawt ("anjelin' ny fahafatesana") ao amin' ny Kor'any, izay mifanitsy amin' ny teny hebreo hoe מלאך המוות / Malʾakh ha-Maweth ao amin' ny literatiora rabinika. Amin' ny teny hebreo ny hoe "Azrael" dia nadika hoe "Anjelin' Andriamanitra" na "Fanampiana avy amin' Andriamanitra".

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]