Azery (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Azerbaijany (vahoaka))
Zazavavy azerbijany mpanao dihy nentim-paharazana

Ny Azery na Azerbaijany dia vondrom-poko manam-piaviana torkika izay mipetraka indrindra any avaratra-andrefana amin' i Iràna sy ny Repoblikan' i Azerbaijàna. Hita any amin' ny faritra midadasika manomboka any Kaokazy ka hatrany amin' ny Lembalemba Iraniana koa izy ireo. Izy ireo no vondrom-poko faharoa be indrindra amin' ny vahoaka miteny torkika aorian' ny vahoaka tiorka ary Miozolmana siita ny ankamaroany, ary manana lova ara-kolotsaina voaforon-tsinga iraniana sy kaokaziana ary torkika. Izy no vondrom-poko lehibe indrindra ao amin' ny Repoblikan' i Azerbaijàna sy vondrom-poko faharoa lehibe indrindra any Iràna sy Jeôrjia mifanila aminy. Miisa eo anelanelan'ny 30 sy 35 tapitrisa izy ireo maneran-tany. Miteny ny fiteny azery (antsoina hoe fiteny azerbaijany koa) izy ireo, fiteny ao amin' ny sampana ôgozy amin' ny vondrom-piteny torkika ary mitondra lova mifangaro avy amin' ny singa kaokaziana (albaniana) sy iraniana ary torkika.

Izy ireo dia atsoina amin' ny teny azery hoe Azery (avy amin' ny teny azery hoe آذریلر / Азәриләр / Azərilər), na Azary (avy amin' ny teny persana: ترک آذربایجانی / Āzari), na Azerbaijany (avy amin' ny teny azery: Azərbaycanlılar), na Tiorka Azery (Azərbaycan türkləri) na Tiorka (Türklər) ka izy ireo.

Ny teny hoe Azerbaijaney dia manondro ny olom-pirenena ao amin' ny Repoblikan' i Azerbaijàna ary izy ireo ihany. Ny teny hoe Azery dia ampiasaina amin' ny fomba diso indraindray ka atao mitovy hevitra amin' ny Azerbaijaney.

Fiteny[hanova | hanova ny fango]

Faritra misy ny mpiteny azerbaijany

Ny Azerbaijany na Azrey dia miteny ny fiteny azery na azerbaijany, izay fiteny torkika, ao amin' ny sampan' ny fiteny torkika ôgozy izay taorina tany Azerbaijàna tamin'ny taonjato faha-11 sy faha-12. Ny fiteny azerbaijany dia mifandray akaiky amin' ny fiteny kaskay, ny fiteny gagaozy, ny fiteny tiorka, ny fiteny torkmena ary ny fiteny tatara krimeana, izay mizara ambaratonga samihafa amin' ny fifankahazoam-piteny amin' ny tsirairay amin' ireo fiteny ireo.

Misy fahasamihafana eo amin' ny voambolana sy ny fitsipiteny miforona ao anatin' ny fiteny azerbaijany ao amin' ny Repoblikan' i Azerbaijàna sy ao Iràna, taorian' ny fisarahana efa ho taonjato roa teo amin' ireo vondrona roa miteny ilay fiteny; na izany aza dia voatahiry ny fifankahazoam-piteny. Fanampin' izany, ny fiteny tiorka sy ny fiteny azerbaijany dia be fifankahazoana ka azo ifampiresahana tsotsotra.

Amin' ny ankapobeny dia miteny amin’ ny fiteny roa ny Azerbaijany, matetika mahay miteny rosiana (ny any Azerbaijàna) na persana (ny any Iràna) ankoatra ny fiteny azerbaijany. Tamin' ny taona 1996 dia manodidina ny 38 % amin' ny mponina miisa 8 tapitrisa eo ho eo no miteny rosiana tsara. Ny fanadihadiana an-telefaona tsy miankina tany Iràna tamin' ny taona 2009 dia nitatitra fa ny 20 % amin' ireo namaly antso no mahay miteny azerbaijany, izay fitenin’ ny vitsy anisa be mpampiasa indrindra ao Iràna, ary mahay miteny persana avokoa ireo namaly ireo.

Fivavahana[hanova | hanova ny fango]

Ny ankamaroan' ny Azerbaijany dia Mozilmana siitan' ny Roambinifolo. Ny vitsy anisa ara-pivavahana dia ahitana Mozilmana sonita (Shafi'i indrindraindrindra, tahaka ny Mozilamana hafa any Kaokazy Avaratra manodidina), sy Bahay. Misy Azerbaijany tsy fantatra isa izay tsy manana fivavahana arahina ao amin' ny Repoblikan' i Azerbaijàna. Maro no milaza ny tenany ho Mozilmana siita. Vitsy ny Sofy Naksbandy ao amin' ny Mozilmana azerbaijany.

Manodidina ny 5 000 eo ho eo ny isan' ny Kristiana azerbaijany ao amin' ny Repoblikan' i Azerbaijàna ary ireo vao niova fo ny ankamaroany. Ny Azerbaijany sasany avy any amin' ny faritra ambanivohitra dia mitazona ny finoan-drazana talohan' ny silamo na ny finoana niharan' ny zôrôastrisma, toy ny fahamasinan' ny toerana sasany sy ny fanajana ara-pivavahana atao amin' ny afo, atao amin' ny hazo ary amin' ny vato sasany. Any Azerbaijàna, ny fomba nolovaina avy amin' ny fivavahana hafa dia matetika ankalazaina koa ankoatry ny fety silamo, anisan' izany ny nowruz (taombaovao prsiana) sy ny krismasy na noely.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]