Hankany amin'ny vontoatiny

Avoko

Avy amin'i Wikipedia

Avoko Production dia iray amin'ireo trano mpamokatra sarimihetsika malagasy malaza sy manana tantara lava indrindra eto Madagasikara, izay niorina tamin'ny taona 2000. Ity trano mpamokatra ity dia nanamarika ny tantaran'ny sarimihetsika malagasy (indrindra ny tontolon'ny sarimihetsika mihetsika na films d'action sy Kung-Fu) ary nankalaza ny faha-25 taonany teo amin'ny tontolon'ny zavakanto.

Ny Fiandohany sy ny Mpanorina

[hanova | hanova ny fango]

Ny mpanorina: I Maître Avoko (izay fantatra ihany koa amin'ny maha-lehiben'ny Kung-Fu Wisa eto Madagasikara azy) no nanorina azy.

Ny fiofanany: Ny taona 1998 no nandeha nianatra sy niofana momba ny "cinématographie" tany Frantsa i Avoko, mialoha ny nananganany ny trano mpamokatra.

Ny fandraisana anjara amin'ny lalàn'ny sarimihetsikaNy taona 2003:

[hanova | hanova ny fango]

Niaraka tamin'ny mpamokatra vitsivitsy hafa ny Avoko Production nanambatra vola nanakarama mpahay lalàna (juriste).

Ny tanjona: Hamolavola ny andinin-dalàna momba ny OM7 (Office Malagasy du 7e Art), izay natolotra ny Ministera, nolanian'ny parlemanta, ary lasa ISSM (Institut Supérieur de l'Audiovisuel et du Cinéma) ankehitriny.

Ny fivoarany sy ny zava-bitaNy mpiantsehatra:

[hanova | hanova ny fango]

Olona manodidina ny 500 (mpilalao, mpanatontosa, teknisiana) no efa novolavolaina sy nandalana tao amin'ity trano mpamokatra ity.

Ireo sarimihetsika nalaza: Fantatra tamin'ireo sarimihetsika nanehoana ny haiady Kung-Fu sy ny tantara nifanesy tamin'ny VCD sy DVD izy ireo (ohatra: Vifanga, Ady Saritaka).

Ny fankalazana faha-25 taona: No nanamarihana izany, ary namoahana ny sarimihetsika lehibe tamin'ny taon-dasa mitondra ny lohateny hoe “Ainga Shot”, izay nandaniana vola manodidina ny 1 miliara Ariary ary nilalaovan'i Avoko sy i Kaliba.

Ny avoko dia zavamaniry samihafa ao amin' ny fianakaviana Fabaceae:

  • Vigna angivensis Baker (Fabaceae) -- avoko, fokotsaramaso, kifoka, kimaotsa
  • Tephrosia lyallii Baker (Fabaceae) -- avoko, fokomadioravina, fokondanitra, kifafakely, kifakakely

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]