Hankany amin'ny vontoatiny

Australian Institute of Aboriginal and Torres Strait Islander Studies

Avy amin'i Wikipedia
Ny tranoo misy ny AIATSISSehatra ôfisialy: aiatsis.gov.au

Ny Australian Institute of Aboriginal and Torres Strait Islander Studies (na AIATSIS), izay natsangana amin' ny anarana hoe Australian Institute of Aboriginal Studies (na AIAS) tamin' ny taona 1964, dia fahefana ara-dalàna tsy miankina amin' ny governemanta aostraliana. Ivon-toerana fanangonana sy famoahana ary fikarohana izy io ary heverina ho loharanom-baovao voalohany indrindra any Aostralia momba ny kolontsaina sy ny fiarahamonin' ny mponina Abôrijinina sy ny an' ny mponina anosy ao amin' ny Andilan-dranomasin' i Torres. Ao amin' ny Saikinosin' i Acton any Canberra (Aostralia) no misy ny AIATSIS.

Mpitarika eo amin' ny fikarohana momba ny etika sy ny fikarakarana tahirin-kevitra saro-pady ara-kolontsaiona ity ivon-toerana ity. Ny fanangonanaao amin' ny AIATSIS dia notanterahina nandritra ny 50 taona mahery nanaovana fikarohana sy fiaraha-miasa tamin' ny vondrom-piarahamonina abôrijina maro sy ny mponina ao amin' ny nosy ao amin' ilay andilantan-dranomasina ary lasa loharanon' ny famelomana indray ny fiteny, ny kolontsaina, ny fikarohana anaram-boninahitra tompon-tany, ary ny tantaram-pianakaviana sy tantaram-piarahamonin' ny tompon-tany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]