Hankany amin'ny vontoatiny

Auchenorrhyncha

Avy amin'i Wikipedia
Pterodictya reticularis (Fulgoridae)

Ny Auchenorrhyncha dia zana-pilaharana ao anatin' ny filaharana Hemiptera, izay ahitana ny ankamaroan' ny karazana mahazatra izay nantsoina hoe "Homoptera" taloha, toy ny Cicadoidea, ny Cicadellidae, ny Membracidae, ny Fulgoromorpha ary ny Cercopoidea. Ny Aphidoidea sy ny Coccoidea kosa no ny karazana "Homoptera" hafa fanta-daza, ary ao anatin' ny zana-pilaharana Sternorrhyncha izy ireo.

Miparitaka manerana izao tontolo izao ny karazana rehetra ao anatin' ity vondrona ity, ka samy mihinana zavamaniry avokoa, ary maro amin' izy ireo no mpitatitra aretina vokatry ny viriosy sy holatra eo amin' ny zavamaniry.

Matetika koa ny karazana bibikely ao amin' ny zana-pilaharana Auchenorrhyncha no mamoaka feo re na hovitrovitra amin' ny zavatra ijoroany mba hifandraisana. Mety ho hovitrovitra tsy ren' ny sofin' olombelona izany, na koa feo mafy toy ny an' ny karazana jorery maro izay re hatrany amin' ny zato metatra mahery any ho any. Rehefa tonga ny vanim-potoanany, dia izy ireo no mamoaka ilay feo tena mampiavaka azy ireo sady re na aiza na aiza. Mizara ho zafim-pilaharana roa io zana-pilahanarana io: Cicadomorpha sy Fulgoromorpha.