Atsimo
Ny atsimo dia iray amin' ny vazan-tany efatra sy ny lafin-trany valo. Mifanohitra amin' ny avaratra ny atsimo ary mifampijadona amin' ny andrefana sy ny atsinanana.
Ny anaran' ny vazan-tany, na ampiasaina ho anarana na ho mpamari-toetra, dia soratana manomboka amin' ny sora-baventy rehefa tafiditra ao anatin' ny anaran-tsamirery milaza toerana na manondro faritra ara-jeôgrafia, fa manomboka amin' ny sora-madinika raha manondro zotra na todika.
Kolontsaina
[hanova | hanova ny fango]Fanandroana malagasy
[hanova | hanova ny fango]Amin' ny fanandrana malagasy dia lafin-tany itoeran' ny vintana Adalo sy ny Alohotsy ny avaratra, fa ny atsimo kosa no toerana omena ny Asombola sy ny Alahasaty.
Fomba amam-panao malagasy
[hanova | hanova ny fango]Teo amin' ny Ntaolo malagasy raha manonona ny vazan-tany izy dia toy izao no fanaovany izany: tononiny aloha indrindra ny avaratra, izay vao ny atsimo, avy eo ny atsinanana ary faranany amin' ny andrefana. Tsy azo avadika izany filaharana izany fa toy ny mampitsimbadika ny filaminana misy eo amin' ny tontolo. Ohatra: "Any ianareo zanahary avaratra, zanahary atsimo, zanahary atsiananana, zanahary andrefana". Araka izany dia samy manana ny filaharany sy ny heviny avokoa ny vazan-tany efatra teo amin' ny fijerin' ny Ntaolo.
Ohabolana
[hanova | hanova ny fango]- Andevolahy ondanam-hady: atao avaratra, mianatsimo loha; atao atsimo, tototry ny kitay.
- Andevolahy tsy mahatra-drasa: miapoka ery atsimom-patana.
- Aza atao hoe: may ity trano atsimo ka asa azy, fa voin-kava mahatratra.
- Aza manao fanarainan' akoho: mifoha maraina, ka eo atsimom-patana ihany.
- Mamandrika akoho atsimon-trano, ka ny an' ny tena ihany no voa.
- Trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana.