Hankany amin'ny vontoatiny

Atropa belladonna

Avy amin'i Wikipedia
Atropa belladonna

Ny Atropa belladonna dia karazan-javamaniry misy poizina maniry isan-taona, ao amin' ny fianakaviana Solanaceae. Teratany any Eorôpa sy Azia Andrefana izy io, anisan' izany i Torkia, ary ny faritra aniriany dia manomboka any Angletera any andrefana ka hatrany Okraina andrefana ary ny faritany Gilan any Iràna any atsinanana. Hita maniry any Kanada sy ao Afrika Avaratra ary any Etazonia koa ity zavamaniry ity.

Tena misy poizina (tôksinina) ny raviny sy ny voany raha voatelina satria misy alkalôida trôpanina. Mety hanimba ihany koa ny fikirakirana na ny fikasihana azy. Ahitana atrôpinina sy skôpôlaminina ary hiôskiaminina ireo poizina ireo, izay miteraka fibedibedy tsy amim-pahatsiarovan-tena sy fahitana sary tsy misy.

Fahita matetika tsy ao amin' ny fokon-javamaniry Hyoscyameae (ao amin' ny vondron-karazan-javamaniry Atropa) sy Mandragoreae ny alkalôida trôpanika, ary ahitana azy koa ny ao amin' ny fokon-javamaniry Datureae ihany — izy rehetra ireo dia ao amin' ny zana-pianakavian-javamaniry Solanoideae ao amin' ny fianakaviana Solanaceae.

Atropa belladonna

Ny voany masaka, izay tena misy poizina, dia azo avahana amin' ny an' ny voanantay (Solanum nigrum) noho izy lehibe kokoa sy ny fananany ravimbony miendrika kintana lehibe kokoa (ohitana felan-dravimbony lava sy mivelatra ary somary mitongilana mipoitra mihoatra ny voany) ary ny fitondran' ny Atropa belladonna ny voany mitsitokantokana, fa ny voan' ny Solanum nigrum kosa dia mitovitovy amin' ny voam-boatabia mivodrona ho sampaho.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]