Atropa

Ny Atropa dia vondron-karazana zavamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Solanaceae, izay ahitana karazana am-polony eo ho eo maniry any amin' ny faritra manana toetany antonony sy toetany trôpikaly ao amin' ny Tontolo Tranainy. Ny malaza indrindra dia ny Atropa belladonna.
Ny anaran' ilay vondron-karazana dia avy amin' ny an' ny iray amin' ny Parka telo andriamanitra toppon' ny lahatra ao amin' ny fivavahana rômana taloha, dia i Atrôpôsy (ατροπος / Atropos, "tsy milefitra"), ilay mpanapaka ny kofehin' ny fiainana. Ireo zavamaniry ireo dia misy akora misy poizina, miasa amin' ny lafiny farmakôlôjia, anisan' izany ny atrôpinina sy ny skôpôlaminina ary ny hiôskiaminina, izay alkalôida trôpanina.
Ao amin' ny fanasokajiana taloha sasany, ny dodaina (Mandragora officinarum) dia natao tao amin' ny vondron-karazana Atropa amin' ny anarana hoe Atropa mandragora.
Karazana
[hanova | hanova ny fango]- Atropa acuminata Royle ex Lindl.
- Atropa baetica Willk.
- Atropa belladonna L.
- Atropa komarovii Blin. & Shalyt
- Atropa pallidiflora Schönb.-Tem.
- Atropa × martiana Font Quer