Hankany amin'ny vontoatiny

Atranatrana

Avy amin'i Wikipedia

Ny atranatrana dia zavamaneno velezina vita amin' ny tapa-kazo fisaka maromaro (dimy ka hatramin' ny fito), velezina eo ambony ranjo na fe. Any amin' ny Bara no mbola mampiasa azy. Tsy mitovy habe ireo tapa-kazo ireo nefa alahatra arakaraka ny halavany. Araka ny fanao nentim-paharazana dia natokana ho an' ny vehivavy ny atranatrana. Mamokatra feo samy manana ny haavony ny tapa-kazo tsirairay. Samy manana anarany izy ireo, izay manaraka ny korisam-peo diatônika: tsibilo, sindry, sindry homana, validiny, varinara.

Ny fomba filalaovana atranatrana dia mitaky fandraisana anjaran' olona roa: eo amin' ny tongotra na fe na lohaliky ny iray no ametrahana ny atranatrana, fa ny iray kosa, izay mipetraka eo anilany, no mively ny hazo fisaka amin' ny hazokely roa. Ny olona voalohany no mively mba hamoaka ny feonkira fa ny faharoa kosa no manome ny gadona. Ampiasaina mandritra ny lanonana nentim-paharazana ity zavamaneno ity.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]