Athinganoi
Ny Athinganoi dia sekta manikeana manaja fomba jiosy sady manao fampianaran-diso (heretika), izay nonina tany Frigia sy Likaônia nefa sady tsy Hebreo no tsy Jentilisa. Nitandrina ny Sabata izy ireo, nefa tsy voafora. Shomer negiah izy ireo[1]. Amin' ny teny grika izy ireo dia atao hoe Ἀθίγγανος / Athinganos (raha tokana) na Ἀθίγγανοι / Atsinganoi (raha maro).
Misy koa filazana fa ny Athinganoi dia nifandray tamin' ny Simôniana ary tsy nisy ifandraisany tamin' ny sekta manikeana na paolikiana. Niorim-ponenana tao Bizantioma izy ireo tamin' ny taona 1054: taonan' ny Fisarahan' ny Fiangonana Tatsinanana sy Tandrefana.
Nanambady vehivavy bizantina ny Athinganoi, nandray ny kristianisma ôrtôdôksa grika, ary tamin' ny farany dia nifangaro amin' ny vahoaka slavy sy grika. Ao amin' ny fanadihadiana sasany, ny Athinganoi dia voalaza fa sisa tavela tamin' ny Indô-Grika nandao an' i India tamin' ny taona 400 nandritra ny vanim-potoanan' ny Fananiham-bohitra barbariana.
Famotoran-teny
[hanova | hanova ny fango]Ny famotorana ny fiforonan' ny teny hoe Ἀθίγγανοι / Atsinganoi dia tsy azo antoka, fa ny fanapahan-kevitra iraisana dia nanao an' io teny io ho avy amin' ny teny grika anondroana "(ireo izay) tsy azo kasihina", avy amin' ny tovona alpha manaisotra sy ny matoanteny θιγγάνειν / thinganein, izay midika hoe "mikasika" na "mikitika". Ny sekta manikeana dia voalaza ao amin' ny loharano sôgdiana.
Ny mety ho fisian' ny fifandraisana amin' ny vahoaka rômany
[hanova | hanova ny fango]Ny anarana hoe Athinganoi, izay nanana endrika hafa taty aoriana hoe ἀτσίγγανοι / Atsinganoi, dia lasa mifandray amin' ny Rômany na Jitàna izay niseho voalohany tao amin' ny Empira Bizantina tamin' izany fotoana izany. Ny hoe Atsinganoi no fototry ny teny hoe cigano, çingene, cigány, zigeuner, tzigan, țigan, ary zingaro, izay teny ampiasaina hilazana ny Rômany amin' ny fiteny eorôpeana isan-karazany. Amin' izao fotoana izao dia maro amin' ireo teny ireo no mbola ampiasaina amin' ny heviny manambany, na dia ny hafa aza ny anarana mahazatra indrindra anondroana azy ireo amin' ny fiteny tsirairay. Ny fiheverana ny Rômany ho mpanao ody dia mandray anjara amin' ny fampifangaroana ny Atzinganos (ny Rômany) sy ny Athinganoi.