Hankany amin'ny vontoatiny

Asterales

Avy amin'i Wikipedia
Kalimeris incisa (fianakaviana Asteraceae)

Ny Asterales dia filaharan-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka manana karazana be dia be. Ahitra maniry isan-taona na mihoatra ny roa taona ny ankamaroan' ny karazana amin' io filaharana io; misy koa anefa ny hazobotry sy ny hazo. Matetika ny raviny dia mifandimby ary tsy misy felam-poto-dravina. Mety hisy tangozan-dravina na tsia izy ireo. Feno (tsotra) na misy zana-pelana miaraka amin' ny sisiny feno sy misy nifinifiny ny felan-dravina. Matetika sady lahy no vavy ny voniny. Mitambatra foana ny felamboniny. Kapsiola na akena (misy hodiny maina) ny voany, mahalana ny manana voany misy nofony malemy.

Fanasokajiana

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny fanasokajiana klasikan' i Cronquist (1981) izy io dia tsy nahitana afa-tsy fianakaviana tokana:

Ao amin' ny fanasokajiana filôjenetika APG (1998) izy dia ahitana fianakaviana 13 na 14:

Ao amin' ny fanasokajiana filôjenetika APG II (2003) dia izy dia ahitana fianakaviana 11 hatralin' ny 13:

Ao amin' ny fanasokajiana filôjenetika APG III izy io dia mizara ho fianakaviana 11: