Aller au contenu

Asidra matavy

Avy amin'i Wikipedia

Ny asidra matavy dia asidra karbôksilika misy rojo alifatika. Ny asidra matavy voajanahary dia manana rojo karbônina 4 ka hatramin' ny 36 atôma-na karbônina (mahalana raha mihoatra ny 28) ary matetika amin' ny isa ankasa. Amin' ny heviny miitatra, ny andian-teny hoe asidra matavy dia ampiasaina indraindray hanondroana ny asidra karbôksilika rehetra manana rojo hidrôkarbônina tsy mitsingeringerina. Lazaina fa "asidra matavy lava rojo" izany noho ny halavana ahitana atôma karbônina 14 ka hatramin' ny 24, sy "asidra matavy tena lava rojo" izay manana atôma karbônina mihoatra ny 24. Ny asidra matavy dia misy amin' ny tavim-biby sy ny tavin-javamaniry, ny menaka zavamaniry na ny savoka, amin' ny endriky ny estera.

Loharanom-pamokarana angovo metabôlika manan-danja ihany koa ny asidra matavy: ahafahan' ny zavamananaina mitahiry angovo manodidina ny 37 kJ (9 kcal) isaky ny lipida iray grama ny asidra matavy, raha ampitahaina amin' ny 17 kJ eo ho eo ao amin' ny gliosida (4 kcal). Tahirizin' ny vatana amin' ny endrika trigliseeida izy ireo, izay misy môlekiolan' asidra matavy telo mamorona estera miaraka amin' ny faika gliserôla. Raha tsy mifamatotra amina môlekiola hafa izy ireo dia antsoina hoe "afaka" ny asidra matavy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]