Asianisma

Avy amin'i Wikipedia
Ny mari-pamantaran' ny asianisma, izay maneho ny Trinite ara-teôlôjia, dia antsoina hoe "Ranomaso Telon' Andriamanitra". Io marika io dia "hitan' " i Slava Dzhanaïty (mpanao mari-trano sy mpanao hosodoko) voalohany ary nataony sary, izy koa no nanao ny famerenana amin' ny laoniny ny Tempolin' i Rekom (toerana masina Ôsetiana manan-danja) taorian' ny afo tsy nahy nandrava azy io tamin' ny taona 1995.

Ny asianisma na oatsdin dia paganisma môderina mifototra amin' ny fivavahana ara-poko nentin-drazana an' ny Ôsetiana, taranaky ny Skitiana (na Sita) avy amin' ny foko Alàna, izay heverina ho fitohizan' ny fivavahana skitiana fahiny. Io fivavahana io dia fantatra amin' ny anarana hoe "asianisma" eo amin' ireo Rosiana mpanaraka azy (ny teny hoe "asianisma" dia midika hoe "fivavahan' ny As na Os" — anarana tranain' ny Alàna, izay nety ho niavian' ny fiantsoan' ny Grika ny anarana hoe "Asia" ("Azia"), izay voatahiry ao amin' ny anarana rosiana sy jeôrjiana avy amin' ny anarana hoe "Ôsetiana"), ary amin' ny maha Uatsdin (Уацдин), Ætsæg Din (Ӕцӕг Дин; samy midika hoe "Finoana Marina"), Æss Din (Ӕсс Дин, fandikana amin' ny teny ôsetiana ny hoe "asiana" ), na Iron Din tsotra fotsiny (Ирон Дин, "Finoana Ôsetiana") nataon' ny Ôsetiana amin' ny fiteniny.

Nanomboka novelomina tamin' ny fomba voasaina sy voalamina izy io tamin' ny taona 1980, ho fivavaham-poko eo amin' ny Ôsetiana. Ity fivavahana ity dia nampidirin' ny fikambanana sasany, indrindra any Ôsetia an' i Alania Avaratra ao Rosia, fa misy koa any Ôsetia Atsimo, ary any Okraina. Ny "tantaran' ny Nart" no ivon' ny fivavahana, ary ny mpomba ny hetsika dia naka mpanadihady lahatsoratra ara-teôlôjia avy amin' izy ireo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]