Asa faharoan' ny fahasoavana
Fiseho
Araka ny fampianarana kristiana sasany, ny asa faharoan' ny fahasoavana, izay atao hoe fitahiana faharoa koa, dia fifandraisana amin' Andriamanitra izay manova, izay mety hitranga eo amin' ny fiainan' ny Kristiana tsirairay. Ny toetra mampiavaka ny asa faharoan' ny fahasoavana dia ny hoe misaraka sady taorian' ny fahateraham-baovao (ny asa voalohan' ny fahasoavana), ary mitondra fanovana lehibe eo amin' ny fiainan' ny mino. Ao amin' ny metôdisma sy ny koakerisma ary ny pentekôtisman' ny fahamasinana, ny asa faharoan' ny fahasoavana, araka ny fampianarana nentim-paharazana, dia ny fahalavorariana kristiana (na fanamasinana manontolo).