Arthur George Tansley

Sir Arthur George Tansley dia bôtanista mizaka ny zom-pirenena Fanjakana Mitambatra (UK), teraka tamin'ny 15 aogositra 1871 ary nodimandry tamin'ny 25 novambra 1955. Izy no namorona ny voambolana hoe écosystème [fr] tamin'ny taona 1935 izay adika tamin'ny teny malagasy hoe rohivoary, sy ny voambolana hoe écotope [fr] tamin'ny taona 1939. Iray amin'ireo mpanorina ny Fikambanana Haitontolo iainana britanika (British Ecological Society) koa izy ary tonian'ny Journal of Ecology nandritra ny roapolo taona.
Nampahafantatra ny fisainan'i Sigmund Freud izy tamin'ny alàlan'ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe The New Psychology and its Relation to Life (1920), izay iray amin'ireo boky nampiroborobo voalohany ny hevitr'i Freud sy i Jung . Izy no nanao fitantarana nidera ny zavabitan'i Freud tamin'ny fahafatesan'io rangahy io.
Ny fahatanorany sy fanabeazana nodiaviny
[hanova | hanova ny fango]Mpandraharaha nahomby i George Tansley, rain'i Arthur Tansley izay naniry ny hampianatra rehefa avy nianatra tao amin'ny Kolejin'ny Lehilahy Miasa na Working Men's College tamin'ny faha-19 taonany. Nampianatra an-tsitrapo io rainy io, nisotro ronono tamin'ny taona 1884. Nanambady an'i Amelia Lawrence io rainy io tamin'ny taona 1863 ary nanan-janaka roa : Maud, narahin’i Arthur 7 taona tatỳ aoriana, tamin’ny taona 1871 .
Tsikaritry ny iray amin'ireo mpiara-miasa amin'ny rainy, izay mpampianatra an-tsitrapo koa, ny fahalianan'i Tansley siansa, nosoritsoritany tamin'izany fa "bôtanista ikoizana sy mavitrika" i Arthur. Rehefa nanatrika ny sekoly fanomanana izy ny faha-12 ka hatramin'ny faha-15 taonany, dia niditra tao amin'ny Highgate School. Tsy nahafa-po azy ny fampianarana siansa tao, izay noheveriny ho "tsy ampy mihitsy", ka nisoratra anarana tao amin'ny Fakiolten'ny Siansa Biolojika tao amin'ny University College tao Londra izy tamin'ny taona 1889 izay nahababo azy tamin'ny tarakevitr'i Ray Lankester sy F. W. Oliver. Nankao amin'ny Trinity College, Cambridge i Tansley tamin'ny taona 1890. Niverina tany amin'ny University College tao Londra indray izy avy eo ho mpanampy an'i Oliver, ary nohazoniny hatramin'ny taona 1907 izany toerana izany. Tao anatin'izany fotoana izany no nahazoany ny mari-pahaizan'ny Trinity College tamin'ny taona 1894.
Lalana nodiavina arakasa
[hanova | hanova ny fango]Mpampianatra-mpikaroka tao amin'ny University College tao Londra i Tansley nanomboka tamin'ny taona 1893 ka hatramin'ny taona 1907. Nandray ny toerana ho mpampianatra feno tao amin'ny Oniversiten'i Cambridge izy tamin'ny taona 1907. Raha sarotra ny nampianatra tany amin’ny oniversite nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, dia nampiasaina tao amin’ny Minisitera mitantana Bala i Tansley. Niala tamin'ny asany tao Cambridge izy tamin'ny taona 1923 ary nandany herintaona tany Vienne nianatra psikôlôjia teo ambany fitarihan'i Sigmund Freud. Rehefa niverina tany Grande-Bretagne izy tamin’ny taona 1924, dia voatendry ho filohan’ny Komity misahana ny Zavamanirin'ny Ampira Britanika. Voatendry ho Profesora Sherardiana momba ny Bôtanika tao amin'ny Oniversiten'i Oxford izy tamin'ny taona 1927, toerana nohazoniny mandra-pisotroany ronono tamin'ny taona 1937.